24/01/2013
Ny tatitra nataon’ny Polisim-pirenena no nahafantarana fa mahatratra 17 ireo olo-tsotra voasambotra noho izy ireo nanao fanamiana mpitandro filaminana. Polisy Monisipaly ny iray tamin’izy ireo. Nandritra ny hetsika izay natao manadrify izany no nahasamborana an’ireo olona ireo izay notanana indray andro teny amin’ny mpitandro filaminana ary navotsotra satria mbola fampitandremana fotsiny no natao. Araka ny fanambarana avy amin’ny mpitandro ny filaminana ihany dia hisy ny hetsika manokana izay hataon’izy ireo ho famongorana izay fanaovana fanamiana mpitandro filaminana izay.
Araka ny fahitan’izy ireo dia manao ny fanamian’ny mpitandro ny filaminana ireo jiolahy mpanafika na ny sasany amin’izy ireo isaky ny misy fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ary ny any amin’ny Faritra sasany. Mandoto ny anaran’ny mpitandro ny filaminana izany, hoy ny fanambarana, ary mahatonga azy ireo ho very hasina ka tsy hananan’ny vahoaka fitokisana intsony , satria tsy fantatra mazava na tena mpitandro ny filaminana marina ireny no lasa mivadika manao asa ratsy na olon-tsotra misalotra ny fanamian’ny mpitandro ny filaminana.
Nandray fanampahan-kevitra vokatr’izany ny Tafika, ny Zandarimariam-pirenena ary ny Polisim-pirenena. Tsy ekena ny fanaovana fanamiana tsy ara-dalàna na tsy tomombana araka ny tokony ho izy (tenue bordèle). Hisy ny antsoina hoe Police Militaire (PM) hanao fisafoana eny rehetra eny ka hisambotra izay mpitandro ny filaminana manao fanamiana tsy ara-dalàna ka hanolotra azy ireny ny vondrona misy azy mba hampiharana ny sazy tandrify izany. Amin’ny alina dia ny mpitandro ny filaminana manao ny asany ihany no mahazo manao fanamiana maha-mpitandro ny filaminana azy noho izany, tsy ekena ny mpitandro ny filaminana misalotra ny fanamiany nefa tsy amperinasa ka hosamborina avy hatrany. Voarara ny olon-tsotra tsy hanao na hisalotra ny fanamian’ny mpitandro ny filaminana na ny marika famantarana ny mpitandro ny filaminana na amin’ny alina na antoandro. Hosamborina avy hatrany izay tratra ka atao fanadihadihana ary hatolotra ny fitsarana. Tsy azo atao ny mivarotra fanamihana na ny marika famantarana ny mpitandro ny filaminana na ny mitovitovy amin’izany na ny an’ireo mpitandro ny filaminana any ivelany miditra eto amin’ny alalan’ny fivarotana akanjo tonta (fripperies) aza. Hisy avy hatrany ny fandraofana sy figiazana ny entana, atao fanadihadiana ny mpivarotra ary hatolotra ny fitsarana noho ny fandikan-dalàna nataony. Ireo orinasa na toeram-piasana manana fanamiana manokana manavaka ny mpiasa ao aminy , ny avy amin’ny Sécurité civile, polisy monisipaly na Kaominaly, sns dia aoka tsy hampitovy izany amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana, Tafika, Zandarimariam-pirenena ary Polisim-pirenena. Hisy ny fepetra hentitra ho an’izay minia mandiaka izany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.822