25/01/2013
Nampidirin’ny mpitsara mpanao famotorana any am-ponja vonjimaika ilay teratany Karana izay voaroiroy amin’ny raharaha halatra taolam-paty tany Morombe. Lehilay iray tratra nangalatra taolam-paty ary efa nosamborin’ny mitandro filaminana any an-toerana no nanondro an’ity karana ity izay nambarany fa naniraka azy tamin’izany. Fantatra ihany koa anefa, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa efa misy sahady ireo olom-boatendry sy olom-boafidy teo aloha tany amin’izany distrika izany no manao fanelanelanana amin’ny famotsorana an’ity teratany Karana ity.
Any am-ponja amin’izao fotoana izao ilay teratany karana izay voaroiroy tamin’ny raharaha halatra taolam-paty tany Morombe. Ny mpitsara mpanao famotorana tao amin’ny fitsarana any an-toerana no nanapa-kevitra hampiditra an’ity karana ity am-ponja mandram-pahatonga ny fotoana hanatanterahana ny fitsarana azy. Ny loharanom-baovao avy any amin’iny tanana iny no nahafantarana fa ilay lehilahy tratran’ny fokonolona nangalatra taolam-paty no nanondro an’ity Karana ity sy nilaza fa izy no naniraka azy ireo hanao izany asa izany. Raha tsiahivina ny tantara dia fantatra fa efa nosamborin’ny mpitandro filaminana tany Morombe ilay lehilahy tratra tamin’ny halatra taolam-paty voalaza tetsy ambony. Tafatsoaka anefa izy ary andro maromaro taty aoriana vao tsikaritry ny mpitandro filaminana nony tafaverina tao an-tanana ary nitondra karapanondrom-pirenena hafa sy anarana hafa. Nandritra ny fanadihadiana an’ity lehilahy tratra nangalatra taolam-paty ity no nahafantarana fa misy teratany Karana naniraka azy. Raha vao nahafantatra ny fanononana ny anarany tany amin’ny fitsarana anefa ilay karana dia lasa nandositra tany Toliara, araka ny loharanom-baovao ihany. Saingy nandefa fiantsoana azy ny fitsarana tao Morombe ary nilaza fa ho samborina any Toliara ny tenany raha tsy miverina haingana any Morombe. Voatery niverina tany Morombe arak’izany ilay karana ary dia nampidirin’ny mpitsara mpanao famotorana any am-ponja vonjimaika avy hatrany.
Mbola ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany koa no nanamarika fa maro ihany koa amin’izao fotoana izao ny fanelanelanana ataon’ireo olom-boatendry sy olom-boafidy teo aloha tany amin’ity faritr’I Morombe iny izay manery mafy ny fitsarana mba hamotsotra an’ity teratany Karana ity. Hatreto anefa dia mbola mihazona ny fanampahan-keviny ny fitsarana any an-toerana.
Tsara ny manamarika fa efa an-taonany maro no nisian’ny halatra taolam-paty teto amintsika; Saingy nirongatra azy tafapaka amina faritra maro izany amin’izao fotoana izao. Tsy vitsy arak’izany ny fitakiana ny amin’ny hanatanterahana hetsika manokana hiadina amin’izany tranga izany. Hatreto anefa dia mbola tsy nahitam-bokany avokoa izany rehetra izany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.193