Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Miverina ny sivan’ny sosialista

26/01/2013

Ninian’ny mpampita vaovaon’ny Fiadidiana ny Tetezamita nesorina ary tsy nomena ireo mpanao gazety nandefasany ny vaovao ireo fehezan-teny sasantsasany izay milaza ny fitakian’ny fanjakana Amerikana ny fampiharana an-tsakany sy an-davany ny voalazan’ny tondrozotra indrindra ny fampodiana ireo sesitany. Nesoriny ihany koa ny fehezan-teny izay milaza ny fitakian’ny Amerikana ny fihazonana ny teny natao. Fihetsika izay aahafahana milaza fa nosivanin’ny fiadidiana ny Tetezamita araka izay nitiavany azy ny vaovao avy amin’ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana misahana ny raharaha afrikana. Tsy nitovy arak’izany ny vaovao navoakan’ny masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara sy ny Fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny tetezamita mahakasika ilay taratasy nalefan’ny Sekreteram-panjakana lefitra Amerikana misahana ny raharaha Afrikanina na dia loharanom-baovao tokana aza no niavian’ireo.

Iray amin’ireo vaovao lehibe nanamarika ny fiainam-pirenena tao anatin’izao faramparan’ny herinandro izao ny momba ireo fanehoan-kevitra samihafa nataon’ireo solontenan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena manoloana ny fisintahan’ny filohan’ny tetezamita sy ny filoha teo aloha amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Isan’ny naneho ny heviny ohatra, ny masoivoho vaovaon’ny fanjakana Frantsay eto Madagasikara. Naneho ny heviny ihany koa ny Sekreteram-panjakana lefitra amerikana misahana ny raharaha afrikana izay nanoratra taratasy mivantana tamin’ny filohan’ny Tetezamita. Samy nanana ny loharanom-baovao nazoany ireo vaovao ireny avokoa ny mpikirakira vaovao eto an-toerana. Raha ny mahakasika ny taratasy nalefan’ny Sekretera lefitra amerikana, ankoatr’ireo nahazo izany vaovao izany tamin’ny alalan’ny loharanom-baovao samihafa, dia tsy vitsy ireo nahazo vaovao izany tamin’ny alalan’ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Tetezamita. Akory anefa ny hagagana raha nahita fa tsy mitovy tamin’ny vaovao navoakan’ny masoivohon’i Etazonia ny vaovao navoakan’ny Fiadidiana ny Tetezamita momba ity taratasin’ny Sekreteram-panjakana amerikana lefitra ity. Izany hoe ninian’ny mpampita vaovao avy ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita nesorina ary tsy nomena ireo mpanao gazety mifandray aminy ny andian-teny na fehezan-teny sasan-sasany tao amin’ny taratasin’ilat Sekreteram-panjakan lefitra amerikana. Ireo fehezan-teny izay miantso ny fitondrana tetezamita sy ny mpanao politika Malagasy hampiantra an-tsakany sy an-davany ny tondrozotra, miampy ny fehezan-teny miantso azy ireo hitana hatrany ny teny nataony, no nesorina tao.

Ho an’ny mpanao gazety maro izay nahatsikaritra an’ity raharaha ity dia tsy isalasalana fa tsy tongatonga hoa azy akory izao fihetsiky ny mpampita vaovaon’ny Fiadidiana ny Tetezamita izao, indrindra ny fahitana fa mifanandrify amin’ireo teboka izay tsy metimety aminy no nesoriny. Raha araka ny fahitana azy dia ireo izany no teboka tsy ankasitrahany amin’ny fanambaran’ny Amerikana.
Marihina fa iray amin’ireo fihetsika mifanohitra amin’ny fitsipi-pitondra-tenan’ny asa fanaovan-gazety ny sivana sy ny fitazonana ny vaovao. Fihetsika voararan’ny lalàna ihany koa izany. Isan’ireo rafitra heverina ho loha-laharana amin’ny fanajana izay fepetra izay anefa ny Fiadidiana ny Tetezamita. Ity farany izay mihoatra ny nataon’ny fitondrana nisy hatrizay teto Madagasikara raha jerena amin’ity sivana nataony ity satria raha ny vaovao an-gazety no niharan’ny sivana tamin’ireny fotoan’ny fitondrana sosialista ireny dia ny fanambaran’ny Amerikana mihintsy ankehitriny no nosivanin’ireo mpitondra amin’izao fotoana izao.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...