Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitsikapa an-dRajoelina

28/01/2013

Manomboka sahy mampiseho vahoaka ny tsy fankatoavany ny filohan’ny Tetezamita amin’izao fotoana izao ireo izay mpiara-dia taminy hatramin’ny niakarany teo amin’ny fitondrana taorian’ny fanaonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Iray amin’ireny ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita Lahiniriko Jean izay nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena tamin’ny asabotsy teo. Mitsipaka ny fampifamadihana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fifidianana solombavam-bahoaka araka ny sosokevitra nataon-dRajoelina ity mpanao politika ity ary mitaky ny hanatanterahana ny fifamelana eo amin’ny samy Malagasy.

Mihena an-toerana toy ny fen’antitra ny mpomba an-dRajoelina. Isan’ireo naneho am-pahibemaso ny tsy fiarahany intsony amin’ireo mpiara-dia tamin’ny filohan’ny tetezamita ny mpanolo-tsaina avo Lahiniriko Jean sy ireo mpiara-dia aminy, indrindra ny antokony: ny PSDUM (Parti socialiste démocratique pour l’unité de Madagascar). Tamin’ny alalan’ny fanambarana izay nataon’ity mpanao politika ity amin’ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena no nahitana mazava tsara fa efa tsy miara-dàlana amin’ny filohan’ny tetezamita toy izay efa nataon’izy ireo fony izy tao amin’ny UDRC ny filohan’ny PSDUM. Ankoatr’izay dia nokianin’i Lahiniriko Jean ampahibemaso ihany koa ny sosokevitra naroson’ny filohan’ny Tetezamita mikasika ny fampifamadihana ny datin’ny fifidianana Filohampirenena sy ny datin’ny fifidianana Solombavambahoaka. Nambarany fa tokony ho tazonina hatrany ny datin’ny 8 mai ho an’ny fifidianana filoham-pirenena, araka ny efa namaritan’ireo manampahaizana avy amin’ny Firenena mikambana sy ny avy amin’ny CENIT. Fahatelo manarak’izany dia nilaza ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fampihavanana ny samy Malagasy ihany koa ny filohan’ny antoko PSDUM. Fampihavanana izay hisian’ny fifamelana faobe. Ny tanjona hoy i Lahiniriko Jean dia ny hisian’ny fitondrana mari-toerana eto Madagasikara. Ilaina arak’izany, araka ny fanambarany ny hiaingana amin’ny “zero” amin’ny toe-draharaha eto madagasikara. Mazava arak’izany fa tsy mifanalavitra loatra amin’ny fanekena ny fampodina an-tanindrazana ny filoha teo aloha ny hevitry ny filohan’ny PSDUM.
Tao Andrefanambohijanahary nandritra ny kongresy nasionalin’ny antoko PSDUM tamin’ny sabotsy teo no nanoloran’ireo mpandray anjara an’i Lahiniriko Jean ho kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenena. Nomarihan’izy ireo fa tsy midika ho fivakisan’ny vondrona UDRC izao fanoloran’ny PSDUM kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena izao. Nambaran’izy ireo fa mbola hanolotra kandida amin’ny lisitry ny UDRC izy ireo amin’ny fifidianana solombavambahoaka.
Tsara ny mampatsiahy fa mpikambana feno ao amin’ny UDRC izay isan’ireo vondrona manohana ny fitondrana tetezamta tarihin-dRajoelina ny PSDUM.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...