Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

KONGRESY NASIONALY - 26 JANOARY 2013 - CARLTON ANOSY

28/01/2013

Ny voly tsy misy kady voahosihosy, ny tantely afa-drakotra hanjakan’ny adala, ary ny firenena tsy misy olon-kendry tsy mandroso. - Andriamatoa sy Ramatoa isany Olo-manankaja tompon’andraikitra rehetra ara-panjakàna : Mpikambana ao amin’ny Governemanta Iombonana, Mpikambana avy ao amin’ny Filankevitra ambony ny Tetezamita, Mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny Tetezamita sy avy amin’ireo Andrim-panjakana ambony samihafa, - Andriamatoa sy Ramatoa isany, avy amin’ireo Masoivoho vahiny sy Solotenan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena nasaina ka tonga manatrika izao fotoana izao,

Ianareo Lehiben’Antoko tsy avahana tahaka ny ketsa na soritana tahaka ny volo,
Ianareo Lehiben’ny Fikambanana isan-tsokajiny,
Ianareo Tompon’andraikitra mpandraharaha ara-toekarena,
Ianareo rehetra ao amin’ny sehatry ny Fiaraha-monim-pirenena,
Ianareo Ray aman-dReny am-panahy rehetra,
Ianareo Ray aman-dReny ara-dRazana, Tangalamena, Sojabe, Vavanjaka,
Ianareo Vehivavy loharanom-pianakaviana fototra ijoroan’ny Firenena,
Ianareo Sakaiza tsy mahafoy mpiara-miasa sy mpiara-miombonantoka, eto an-toerana sy avy any ivelany,
Ianareo Tanora, zandry, zanaka, solofo sy dimbin’ny ala, taninketsan’ny firenena, antoky ny ampitso,
Ianareo Mpizaika mpikambana rehetra ato amin’ny MDM izay tarihin’ny Birao Nasionaly,
Isika tafavory marobe eto,
Ry Vahoaka Malagasy mpiray tanindrazana tsy vakivolo!
Na miraradraraka vovo-bolamena aza ny any Maevatanana, na hadiana tsy ho lany aza ny safira any Ilakaka. Na miboiboika tsy ho ritra aza ny any Tsimororo, dia andro iray lehibe sy manan-danja ho antsika kosa ity andron’ny 26 janoary 2013 ity, fotoana natokana hanatanterahana izao Kongresy Nasionalin’ny antoko MDM izao.
Tafavory eto tokoa isika mianakavy satria isika izao toy ny diamondra mitohim-bolamena raha sarahana tsy hanjary vakana. Jiafotsy nososoan-drofia tsy handrovitra fa hanamafy ary katsaka ladin’ny tsaramaso, mifanantona mba hifamatotra.
Eto am-panombohan’ny lahateniko dia everiko ho zava-dehibe loatra amiko, aminao, amintsika rehetra no mitondra ny fisaorana sy fiderana manokana an’Andriamanitra Andriananahary ny amin’ny mbola nanomezany antsika izao andro lehibe izao.
Toy ny ranomasimbe midadasika tokoa mantsy izay taona maro nodiavintsika izay ka indraindray nitopatopa indraindray nanonjanonja. Sambokely mitety onja ny nofo aman-dràntsika, misy ny tafita, misy ny rendrika. Arahabaina manokana araka izany isika izay natafita soa ny taona ka afa-mifanatrika eto ankehitriny.
Mazava ho azy, Asaramanitra ny andro ka amin’ny tonon-taona vaovao tahaka izao dia fanararaotra ny hitondrana ny teny fiarahabana miaro firariantsoa nahatratra ity taona 2013 ity. Enga anie mba ho taom-pandresena: “fandresena eo amin’ny lafiny rehetra, anisan’izany izao krizy lalina mianjady amin’ny firenena izao.
Handresy ny firaisankina sy ny fihavanana, handresy amin’ny ady atrehina isan’andro ihany koa ny isam-batan’olona ka hanana herijika vaovao indray ho enti-mamokatra. Raha fintinina dia ho taom-pahombiazana sy taona zina ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra anie ity taona ity”.
Tompokovavy sy Tompokolahy,
Teny am-pananganana ity Mientana hoan’ny Demokrasia eto Madagasikara (MDM) ity isika, dia nanao fanamby amin’ny fiaraha-monina ifampitsinjovana, satria nahatsapa tsara fa ny fanaovana politika dia lalana iray hanasoavana ny mpiara-belona sy hitsinjovana ny olona sy ny Tanindrazana. Izany indrindra no ijoroan’ny tenako Filohan’ny MDM eto satria ny MDM dia antoko iray mandala ny fihavanana sy ny fifampitsinjovana ny maha olona. Maha-saropiaro antsika loatra izany maha-olona izany ka na amin’ny sehatra aiza, na amin’ny sehatra manao ahoana, na amin’ny sehatra toy inona dia eo hatrany isika MDM manatanteraka ny fenitry ny fifampitsinjovana.

Tsapa tamin’ny asa nataontsika izany, raha ny voambaranareo mpitondra fitenenana isan-tsokajiny rehetra teo. Isaorako manokana noho izany ny ezaka nataonareo mpikambana nandritra izay telo taona izay. Mahafaly tokoa mantsy ny manome noho ny mandray.
Koa nanome izay heverintsika ho mety sy tratra ho an’ny fiaraha-monina isika. Nampihiratra izay kely teo an-tanantsika ho an’ny firenena ihany koa. Tsy mbola vita hatreo anefa ny ezaka fa mbola miandry antsika isan’andro ny vahoaka sy ny firenena ry mpikatroka MDM. Mitafia hery, tanjaka, sy fahavononana. Ampitomboy avo folo heny na zato heny toy izay vitantsika teo aloha hatrany ny asa fifampitsinjovana natolontsika ny mpiray Tanindrazana.
Raha itodihana ny lasa ka banjinina ny ho avy mikasika ny tantara politikan’ity Madagasikara ity dia misy lafiny maro azo ambara betsaka: ao ny tsara ary ao ny ratsy tsy hary ho voatanisa eto.
Izaho manokana ohatra dia nisedra olana lehibe izay nipaka tany amin’ny fianakaviako sy ireo mpiara-miasa amiko. Tsy zoviana amintsika izany rehetra izany ary tsy fohazina tsy akory ny fahatsiarovana ratsy navelan’ny lasa. Na dia teo aza ny antsojay sy ireo tsindry hazolena nahatonga hatramin’ny sesitany ny tenanay, dia nijoro, mijoro ary mbola hijoro ho Ray aman-dReny hatrany izahay. Izany indrindra no hanambarako fa “TSY MANANA ALAHELO NA KOA LONILONY AMIN’IREO IZAY NANENJIKA NA NINIA NAMOTIKA AHY NY TENAKO”.
Trangan-javatra niseho ireny noho ny tsy fahalalana sy ny hevitra tsy nitovy. Satria niresaka ny maha-olona isika teo, dia miezaka foana ny hisoroka ny fifankahalana sy ny tsy fitoviana ny MDM: na hevitra io, na fihaviana io, na finoana na koa fironana aza. Ataontsika harena ireo fa tsy fifankahalana mihitsy. “Ny antoko MDM rahateo mantsy tsy manam-pahavalo ankoatra ny fahantrana”.
Izany fanomezan-danja ny maha-olona izany dia anisan’ny antoka iray hilaharana amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanajana ny Zon’olombelona sy ny Fanjakana tsara tantana ary ny Demokrasia tena izy manaja ny hetahetam-bahoaka, ny vahoaka izay tompon’ny fahefana. Na nofidin’Andriamanitra ho Nosy aza i Madagasikara dia tsy afaka miolonolona samirery fa tsy maintsy miara-dia hatrany amin’ireo Vondrom-paritra iraisam-pirenena rehetra misy izy, ka mbola manamafy aminareo aho, fa hitandro toy ny anakandriamaso ireo fenitra sy foto-kevitra rehetra ijoroan’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, izany anefa dia ezahina hifandrindra sy hifameno amin’ny soa toavina Malagasy izay voalohan-karena.
Ry Malagasy mpiray tanindrazana!
Resy lahatra izahay fa tsy mora ny manarina ny firenena, saingy rehefa ao ny risi-po sy ny finiavana miampy firaisankina sy fifanomezan-tanana dia mandroso isika, ary “ho resy ny fahantrana hany fahavalo tokana”. Hoy mantsy ny ohabolan-drazantsika manome risika amin’izany: “izay mitambatra vato ary izay misaraka fasika, ny mitabe tsy lanin’ny mamba, ny akanga maro tsy vakin’amboa, ny firaisankina no hery”. Manoloana izany dia mamaly anareo mpiray Tanindrazana amiko aho ary mitodika mivantana aminareo mpiara-miombon’antoka ihany koa, fa indrindra ianareo taranaka mpandimby andrin’ny firenena, fa azo atao dia azo atao tokoa ny manao fanamby amin’ny tsaratsara kokoa. Fanamby hahavitabe noho izay efa vitan’ny teo aloha amin’ny alalan’ireo programan’asa matipaika nofaritan’ny antoko MDM teo.
Izay no ela, Tompokolahy sy Tompokovavy! Ela nahabetsaka ny vitsy, nahamasaka ny manta, nisavasavana ny raviny, nahitana ny fotony.
Ry Mpiara-mitolona ato amin’ny MDM,
Ry Vahoaka malagasy havako,
Voaraiko ny hetahetanareo, ny antsonareo, ny hafatrareo, ny vetsovetsom-ponareo, ny amin’ny handraisako anjara feno sy malalaka amin’ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena amin’ity taona 2013 ity.
Satria hoy isika MDM hoe:
- Mihaino Dia Mandinika,
- Mandray Dia Mamakafaka,
- Misaina Dia Mamolavola,
- Mandalina Dia Manatanteraka,
- ary Manentana Dia Mitarika.
Ireo rehetra ireo rehefa natambatra dia heveriko fa rariny sy hitsiny raha toa ka apetrantsika am-pahavononana tanteraka ny faniriantsika, mba hanalavirana ny fitantanana ny firenena amin’ny kisendrasendra sy kitsapatsapa. Ny fahavononana feno fandalinana sy fitiavan-tanindrazana hanampy sy hanavotra ny mpiara-belona no vaindohan-draharaha tsara hametrahana ny “Fiovana tena izy”, “Madagasikara vaovao sy mandroso” andrandraina isan’andro isan’andro.
Ny andraikitra izay ho raisintsika amin’izany dia iarahana amin’ireo namantsika tsy ankanavaka, ireo rehetra mpiray ombon’antoka amintsika, izay isaoranao etoana sahady ny fifampitokisana. Tao-trano moa tsy efan’irery ka io Madagasikara vaovao hajorontsika io dia ataontsika asa vadi-drano tsy vita raha tsy hifanankonana.
Excellences Mesdames et Messieurs, Tout protocole observé
Honorables invités,
Au moment où la décision issue de la feuille de route de tenir des élections libres et transparentes permet enfin d’entrevoir la fin de la crise politique qui paralyse le fonctionnement régulier de nos institutions depuis près de quatre ans, il est temps d’adresser au peuple malgache et à tous ceux qui portent dans leur cœur le redressement de notre pays un message d’espoir lucide et ambitieux.
La crise politique qui affecte notre pays depuis trop longtemps a exacerbé les ambitions personnelles et les intérêts particuliers d’un certain nombre d’acteurs qui n’ont pas vraiment montré d’empressement à lui trouver une issue. Cette situation a alimenté dans notre société, dans notre administration, dans notre armée, des divisions et des conflits mettant en péril à la fois notre cohésion nationale et notre paix civile. Elle a provoqué en même temps des sanctions économiques de la part de la communauté internationale, tarissant ainsi une grande partie des aides financières accordées par nos bailleurs de fonds traditionnels au profit de projets nécessaires à la modernisation de notre pays. Tout au long de cette période, les efforts patiemment déployés par nos partenaires internationaux, en particulier par la SADC, pour faciliter une sortie démocratique de la crise, ont été systématiquement entravés par des tergiversations et des reniements successifs d’engagements donnés
Le MDM, faisant siennes des pratiques démocratiques et soucieuses du bien-être de l’Homme, déplore que la majorité de la population soit la première victime. La santé et l’éducation ne sont pas suffisamment considérées. La croissance économique s’est arrêtée et le produit intérieur brut par habitant est reparti à la baisse, des dizaines de milliers d’emplois ont été perdus affectant durablement des pans entiers de notre économie. L’environnement des affaires s’est dégradé face à la corruption, aux pratiques fiscales menaçantes pour nos entreprises du secteur formel et aux interventions tatillonnes et inefficaces de l’État. L’insécurité a pris des proportions dramatiques et inacceptables. Les infrastructures, en particulier routières, se sont elles aussi dégradées. L’investissement s’est, en conséquence, effondré si l’on met à part le cas du secteur minier dont les programmes sont engagés depuis longtemps.
Je ne me hasarderai pas à faire le bilan des quatre dernières années, car toutes les forces vives de la Nation, et la population elle-même, sont unanimes : Il faut mettre un terme cette crise. Nous sommes un Pays béni des Dieux, et je suis convaincu que les cycles de crises que nous avons endurés jusque-là peuvent être évités car Ensemble nous sommes forts pour construire un Madagascar meilleur. Gardons nous de toute illusion ! Nous ne surmonterons nos difficultés qu’en entrant en action par le travail et l’effort. Nous ne gagnerons rien à la contemplation de nos richesses réelles ou supposées. Nous devons nous convaincre et je veux vous convaincre que notre pays peut mieux faire. A condition qu’il reprenne confiance en lui, qu’il renoue avec le fihavanana, qu’il se rassemble pour un avenir meilleur pour tous. Car nous avons un grand besoin de solidarité.
Le temps est venu, pour nous malgaches, de reprendre en mains notre destin et de relever tous ensemble les défis de notre temps. De profondes réformes devront être entreprises pour préparer notre pays à affronter l’avenir et vaincre la misère et la pauvreté. C’est le défi que je fixe à mon action politique pour demain. C’est ce défi que je vous demande à vous tous, mes compatriotes, mes frères et sœurs malgaches, de relever avec moi.
Pour cela il faut définir des objectifs et un programme.
Pour ce qui est des objectifs, j’en ai trois à vous proposer :
D’abord : Créer de vrais emplois et donner un vrai travail à chacun, sans exception !
Ensuite : Créer de vrais emplois et donner un vrai travail à chacun, pour que chaque foyer bénéficie du fruit de notre croissance et de notre richesse
Enfin : Créer de vrais emplois et donner un vrai travail à chacun, pour assurer à chaque famille le soutien permanent de l’Etat
Non je ne me répète pas, mais je veux que nous martelions nos esprits de ces objectifs jusqu’à l’obsession, car c’est de leur accomplissement que dépendent nos succès et notre prospérité de demain.
Un vrai travail pour tous, c’est la garantie pour chacun de se procurer des revenus suffisants pour faire vivre décemment sa famille et permettre à ses enfants d’apprendre et de progresser.
Un vrai travail pour tous, c’est la mobilisation de toutes les forces actives de notre pays pour l’engager dans la voie du développement durable et lui permettre de devenir un acteur respecté parmi les autres nations dans les échanges mondiaux.
Un vrai travail pour tous, enfin, c’est la volonté de n’abandonner aucun Malgache au bord du chemin et de réaliser un projet collectif et solidaire pour notre peuple et ses enfants. L’État devra jouer un rôle central pour accomplir ces objectifs, car les principaux indicateurs des progrès accomplis seront l’amélioration de nos systèmes de santé et d’éducation, le renforcement de la sécurité des biens et des personnes, l’accès aux savoirs et le développement culturel, la qualité de l’environnement, l’amélioration du climat des affaires et l’encouragement à entreprendre et investir dans un environnement juridique et fiscal plus sûr, l’augmentation de nos productions, le développement qualitatif et quantitatif de nos échanges avec le reste du monde.
Nous atteindrons ces objectifs en restaurant l’autorité de l’État par la création d’un véritable État de droit juste, impartial et efficace qui veillera, en particulier à :
• L’amélioration du fonctionnement démocratique de nos institutions reposant sur des élections libres et transparentes et le renforcement du rôle des élus,
• Le respect des Valeurs universelles des doits de l’Homme qui doit être protégé par nos institutions, et en particulier par nos tribunaux,
• La réhabilitation et la promotion de nos valeurs et richesses culturelles
• La lutte contre la corruption
• La redéfinition des missions et des moyens de nos forces de l’ordre, armée, gendarmerie et police
• La modernisation de notre fonction publique
• La mise en œuvre d’une décentralisation efficace qui rapproche les citoyens des lieux où sont prises les décisions
• l’augmentation des ressources financières de l’État par un recouvrement fiscal plus efficace et sans excès
Bien entendu, pour réussir sa mission, l’État devra s’engager dans un véritable partenariat avec tous les acteurs leaders du développement à commencer par les entreprises du secteur privé, les partenaires internationaux publics et privés, et bien sûr ses élites intellectuelles, enseignants, cadres et professions libérales, jeunes diplômés.
Pouvant me prévaloir d’une longue expérience de la vie publique à la tête du gouvernement, dans diverses fonctions ministérielles, dans les relations internationales, je suis prêt à m’engager pleinement dans la mise en œuvre de ces objectifs.
Je profite de cette heureuse opportunité, pour remercier sincèrement tous les congressistes, tous les participants venus des quatre coins de l’île, pour leur travail laborieux et les résolutions exceptionnelles qu’ils ont élaborées. Cela témoigne du sérieux de notre Parti, d’une démarche participative exemplaire. Ces résolutions sont le socle de nos actions futures. Soyez assurés que nous porterons haut le flambeau de ce projet de société.
Je me réjouis aussi de votre Choix qui s’est fait sans contrainte dans l’esprit même de notre mouvement, un choix démocratique et l’expression réelle de notre volonté.
Nanongilan-tsofina aho raha nihaino,
Nanokatra ny masoko aho raha nijery,
Nandinika tsara aho raha nandray,
Ka tamin’ny zava-boalazanareo rehetra nifandimby naneho hevitra teo tamin’ny alalan’ny famakiana fehin-kevitra, sy ny lahatenin’ny tanora hitsinjo ny hoavy, na ny antson’ny vehivavy mpanorina ny firenena, na ny solontenanareo mpizaika nampita hafatra mafonja, sy ny avy amin’ny parlemantera MDM namporisika hanohy ny ezaka efa vita ary ny fanontaniana samihafa mampisaintsaina ho amin’ny hoavin’i Madagasikara napetraky ny Birao Nasionaly teo.
Eo ihany koa isika olon-tsotra sy mpiasa tena na any amin’ny fanjakana na fikambanana sy vondrona samihafa nanao antso antso amin’ny tenanay mba hanatanteraka hatrany sy hanohy ny ezaka hanavotra an’i Madagasikara, dia rehako avokoa izy ireny ry Malagasy havako.
Noho izany:
Am-panetrentena lehibe no hamaliako ny hetaheta sy antso sy hafatra ary vetsovetsom-po avy aminareo fa “VONONA NY HIROTSAKA AMIN’NY FIFIDIANANA HO FILOHAM-PIRENENA AMIN’NY ALAROBIA 08 MEY 2013 IZAO NY TENAKO RAJAONARIVELO PIERROT JOCELYN”.
J’accepte en toute humilité votre Choix, et J’annonce solennellement ici devant vous ma volonté d’endosser le Costume du Candidat Officiel à la Présidentielle du Parti MDM et de ses alliés.
Je veux être le candidat et plus encore le président de tous les Malgaches rassemblés autour du MDM mais aussi de tous les partis organisations épousant nos valeurs et qui ont mis et mettrons en Moi leurs espoirs et leur confiance.
Je vous remercie vivement de cette confiance. Nous continuerons ensemble à préserver notre unité, aujourd’hui comme demain, dans un esprit de réconciliation. Nous garderons et maintiendrons les acquis de la feuille de route et nous dirigerons le pays, avec cet héritage incommensurable qu’est la consensualité et l’inclusivité. C’est à ce prix que nous redresserons Madagascar !
J’accomplirai cette tâche avec détermination et je me placerai toujours et sans concession au service de nos valeurs. Je veillerai aussi au respect de notre diversité, souhaitant que tous les malgaches, quelle que soit leur origine, qu’ils soient au pays ou à l’étranger. Que tous les étrangers présents sur notre sol se sentent investis et solidaires de notre grand projet !
Avec vous, TOUS ENSEMBLE, nous réussirons !!!
Mes chers concitoyens je compte sur votre soutien pour que nous menions ensemble notre pays sur la voie du progrès et de la prospérité et je vous dis : A Bientôt !

« Mpirahalahy mianala isika ka ‘zahay tokinareo ianareo tokinay…”
Eto am-pamaranana, dia maneho fankasitrahana sy fankatelemana ny vahiny rehetra nasaina tonga nanontrona sy nanome voninahitra izao Kongresy Nasionalin’ny antoko MDM izao ny tenanay. Tsy hadino ihany koa ianareo tompon’andraikitra rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka, nahaloaka an-tsakany nahatanteraka an-davany, ary fisaorana manokana no atolotra anareo izay niala avy any amin’ny Faritra sy Distrika, satria ny antoko tiana tokoa mantsy tsy mahalavi-tany ka nandao ny akany sy vady aman-janaka ary fandria-mafana ianareo noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena.
Mankasitraka ho amin’ny tsara indrindra Tompokolahy,
Mankaletina ho amin’ny finaritra indrindra Tompokovavy.
Ho ela velona ny Vahoaka malagasy tsy vakivolo, ho ela velona i Madagasikara Nosy mamintsika !!!

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...