28/01/2013
Naneho ny ahiahin’izy ireo manoloana ny voka-dratsy mety hateraky ny fampisanana ny taratasim-pandatsahambato tokana (bulletin unique) ny mpikambana ao amin’ny Komity mpanara-maso ny fifidianana n any COM. Hitarika fisafidianana an-jambany an’ireo kandidà ny fampiasana ny bulletin unique raha maro loatra ny isan’ny kandidà hilatsaka ho fidina, hoy ny fanamarihan’izy ireo.Tokony tsy hihoatra ny telo hoy ihany ny soso-kevitr’ity rafitra ity ny kandidàmilatsaka ho fidina.
Hatreto dia tsy latsaky ny 20 ny isan’ireo mpanao politika na mpandraharaha na olon-tsotra na koa mpitondra fivavahana izay efa nilaza fa hilatsaka ho fidina filoham-pirenena, indrindra taorian’ny fanambarana ny tsy filatsahan’ny kandidà roalahy dia i Andry rajoelina sy Ravalomanana Marc. Ny mpandinika sasantsasany ny raharaham-pirenena dia milaza fa mety hahatratra hatramin’ny 50 mihintsy ny isan’ny mpilatsaka ho fifidna amin’ity fifidianana filoham-pirenena ity. Naneho ny ahiahin’izy ireo ny amin’ny mety ho tsy fahamarinan’ny fifidianana noho ny famaroan’ny mpilatsaka ho fidina ny mpikambana ao amin’ny Komity mpanara-maso ny fifidianana n any COM. Nandritra ny famelabelarana narahina ady hevitra izay nataon’izy ireo tetsy Analakely ny Sabotsy teo no nanasongadinan’izy ireo izany ahiahy izany. Araka ny nambaran’i Rakotondrabe Christian, filohan’izany rafitra izany dia “zava-doza no miandry antsika Malagasy raha io bulletin unique io no hatao”. Nambarany fa ho maro amin’ny Malagasy no hifidy an-jambany noho ny fahamaroan’ny kandidà voasoratra ao anatin’izany bulletin unique izany. Mazava arak’izany fa tsy ten any safidim-bahoaka no hivoaka amin’izany fifidianana izany.
Manoloana izany dia nanoson-kevitra ny hampihenana ny isan’ny kandidà hilatsaka ho fidina filoham-pirenena ny mpikambana ao amin’ny COM. Azo atao ny manatanteraka izany amin’ny alalan’ny fampivondronana ireo izay mpomba ny fitondrana amin’izao fotoana izao etsy an-daniny ary ireo izay manohitra kosa etsy an-kilany. Atao izay haniloran’izy ireo kandidà iray avy. Torak’izany koa ireo izay sady tsy mpomba ny fitondrana amin’izao fotoana izao no tsy manohitra izany ihany koa. Atambatra ihany koa izy ireo ary hasaina manolotra kandidà iray. Tsy mihoatra ny telo arak’izany ny isan’ny mpilatsaka ho fidina raha arak’izany hevitra naroson’ny COM izany. Soson-kevitra izay ho sarotra ihany ny hampandresena azy noho ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny samy mpanohana na eo amin’ny samy mpanohitra ny fitondrana tetezamita.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.813