Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitaky fampiharana manontolo ny tondrozotra

29/01/2013

Isan’ireo teboka nodinihina ary nadraisana fanampahan-kevitra nandritra ny fivorian’ny Filankevim-pilaminana ao an’ivon’ny Vondrona Afrikana ny famaranana ny krizy eto Madagasikara. Nisongadina tamin’ny tatitry ny CPS ireo zava-misy eto an-toerana momba ny dingana vita sy ny sakana amin’ny tena fivoahana amin’ny krizy. Isan’izany ny tsy fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny voalazan’ny tondrozotra sy ny tsy fananam-bola iatrehana ny fifidianana ary ny firongatry ny tsy fanajàna ny zon’olombelona. Hivory arak’izany ny GIC-M sy ny CPS mba handray fepetra entitra sy mifanaraka amin’ny tokony ho fanafainganana ny fivoahana amin’ny krizy.

Raha atao indray mijery dia azo lazaina fa tsy mbola mahafapo ary mbola tsy azo antoka ny fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy raha araka ny fahitana ny tatitry ny fivorian’ny Filankevim-pilaminan’ny Vondrona Afrikana na ny CPS. Araka ny fanambarana nataon’ity rafitra ity tamin’ny alalan’ny tatitry ny fivoriana nataony dia hivory ny GIC-M (Group international de contact pour Madagascar) sy ny CPS mba ahafahana mandray fepetra entitra sy mifanaraka amin’ny tokony ho izy hanafainganana ny fivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy. Tsy mbola nisy resaka arak’izany ny fanalàna ny sazin’I Madagasikara sy ireo mpanao politika nosazian’ny Vondrona afrikanina, na dia efa maro azan y efa niandrandra izany. Mbola tsy nanome valiny mazavamikasika ny daty afahan’ny filoha teo aloha mody an-tanindrazana ihany koa ny CPS, saingy nanamafy kosa ny tatitra nataony fa isan’ny lesoka amin’ny tsy mbola ivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy ny tsy fatanteraha ‘izany.
Lafinjavatra maro no nokianin’ny CPS tamin’ny alalan’ny tatitra nataony momba an’i Madagasikara. Voalohany amin’izany ny tsy fahavitan’ny fananganana ny Filankevitra fampihavanana Malagasy izay rafitra iray voafaritry ny fifanarahana ao amin’ny Tondrozotra. Isan’ny nahitana kiana goavana avy amin’ny CPS ihany koa ny tsy fanajana ny fandraisana fanampahan-kevitra ifanarahana eo amin’ny fampandehanana ny tetezamita. Nokianin’izy ireo ihany koa ny tsy fanarahana ireo fepetra momba ny fampitoniana sy ny fifampitokisana ary ny fampihavanam-pirenena sy ny famotsoran-keloka. Isan’ny notsongainy manokana tamin’izany ny tsy mbola namerenena an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc.
Tsy ampy ny ho enti-manana
Nanokanan’ny fanambaran’ny CPS andininy manokana ny momba ny firosoana amin’ny fifidianana. Mametraka ahiahy betsaka amin’ny metsy tsy ahatanterahan’ny fifidianana ny CPS nohon’ny tsy fahampianan’ny ho enti-manana amin’ny fanatanterahana izany fifidianana izany. Manamafy an’izany ny tsy nahavitana ara-potoana ny fanisana ny mpifidy izay natomboka tamin’ny voalohan’ny volana oktobra 2012 ary tokony ho vita tao anatin’ny iray volana, raha araka ny vinavina, kanefa tsy mbola vita hatramin’izao.
Ankoatr’ireo rehetra ireo dia namabaran’ny CPS ihany koa fa mbola olana lehibe eto Madagasikara ny firongatray ny fahantrana miampy ny tsy fandriam-pahalemana, indrindra ny asan-dahalo any atsimo izay nangatan’ny GIC-M ny hanaovana fanadihadiana momba izany.
Na izany aza dia tsy adinon’ny CPS ny nanasongadina ny dingana efa vita amin’ny fivoahana amin’ny krizy eto Madagasikara. Isan’izany ny fametrahana ny tetezamita iaraha-mitantana sy ireo refitra isan’karazany ao amin’izany tetezamita izany. Teo ihany koa ny tsy filatsahan’ny filoha teo aloha sy ny filohan’ny tetezamita amin’ny fifidianana, akoatry ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana.
Ny filazana ny fanatanterahana ny fihaonana eo amin’ny GIC-M sy ny CPS mba handraisana fanampahan-kevitra haingana amin’ny fivoahan’I Madagasikara amin’ny krizy no namarana ity tatitra mikasika an’I Madagasikara tamin’ny fivorian’ny Filankevim-pilaminanan’ny Vondrona Afrikana ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...