Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

“Ataovy amin’ny teny gasy ny didim-pitsarana”

29/01/2013

Nitsidika ny renivohitry ny Faritra Antsinanana, ny filoha nasionalin’ny fikambanana Hafari, Rafanomezantsoa Jean Nirina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, rehefa avy nitety distrika vitsivitsy tany amin’izany faritra izany nandritra ny herinandro. Tao Toamasina dia nisy ny fihaonana izay nokarakarainy tamin’ny vahoaka ka nampahafantarana ny fijoroan’ny fikambanana sy ny votoatin’ny asa izay iantsoroan’izy ireo.

Nambaran’ity filohan’ny Hafari ity ary fa ny olana ara-tsosialy sy ara-pitsarana ary fanajana ny zon’olombelona no tena imasoan’izy ireo ka ireo izay tsy mahalala sy mila fanampiana no tena iantefan’ny asan’ny fikambanana Hafari na Hery Andry Fiovana eto Antananarivo Renivohitra Iombonana, izay efa manana ihany koa ny rantsany any Toamasina. Ny 11 martsa 2012 no nijoro voalohany tao Toamasina izy ireo ary manana ny foibe ao Andranomadio 11/42, ka i Benjamin Maxime filoha sy Flavie Alexandrine no mpandrindra izany.

Nandritra ny herin-taona niasany tao Toamasina, dia niompana tamin’ny resaka ady tany ireo olana ara-tsosialy nitadiavan’olona ny fanampiana tamin’ity fikambanana ity. “Ny tsy fahalalana ny lalàna, ny tsy fahafantarana ny zon’ny isan’isany avy ary ny fahamaroan’ny fanelanelanana sy fanapena-maso amin’ny alalan’ny vola be ary ny fisian’ny mpanao tsindrio fa lavo”, no tena olana be mpitranga raha araka ny fanazavan’izy ireo. “Ny vahaolana tsara anefa dia ny fametrahana ireo olom-be ifotony sy ireo tompon’andrikitra any ambanivolo sy ny fokontany ary ny fijerena ny tena marina fa tsy hivarotra izany noho ny herin’ny vola”, izay no nambaran’i Rafanomezantsoa Jean Nirina filohan’ny HAFARI nasionaly.
Nambarany hatrany fa niaiky izany ny lehiben’ny fampanoavana eto Toamasina, ka isann’ny vahaolana nifanarahan’izy ireo dia ny fanoratana ny didim-pitsarana amin’ny tena Malagasy. Eo koa ny fijerena mazava ny fomba fanomezana ny “prescription acquisitive” na tany; ary ny fampahafantarana na mifanipaka amin’ny lalàna na tsia ny famoahan’ny fitondrana tetezamita didy nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny 23 mai 2012. “Ny fampiantonana aloha ny fandravana trano sy fandroahana ireo olona monina amin’ireo tany miady”, izay mbola vitsy ny mahalala azy sy iniana tsy arahana ho an’ireo mampihatra ny lalana. “Tsy fikambanana mpaka vola na mpanangon-karena amin’ny fahoarian’ny olona izahay. Mazava ny fifanarahana iarahanay amin’ny mangataka ny fanampianay”, izay no fanamarihana nataon’ny filohan’ny Hafari. Izay no nahatonga ny asan’izy ireo nahomby avokoa ny 90%n’ny raharaha nangatahan’olona fanampiana.
Ankoatra izay, dia afaka manao “témoins d’enquête” mandritra fakana am-bavany olona voaroiroy koa ny Hafari araka ny voalazan’ny lalàna (Art.53 ny CPP), manampy ireo zaza mpatory an-dalam-be sy ireo beantitra mila fanampiana ary ireo tanora manana olana ihany koa izy ireo. Efa misy ny sampan’izy ireo koa ny ao Vavatenina sy Ambatondrazaka.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...