29/01/2013
Manangon-tsonia, amin’izao fotoana izao, ireo parlemanteran’ny Tetezamita. Araka ny loharanom-baovao avy eny an’ivon’ny Filankevitra avon’ny tetezamita dia efa mahatratra 40 amin’izao fotoana izao ny sonia voaangona eo anivon’ity andrim-panjakanan’ny Tetezamita ity ka ny CST Ranjivason Jean Théodore no parlemantera faha 40 nanao sonia izany fangatahana izany. Marihina fa mahatratra 50 ny sonia voaangona vao mitombina ny fangatahana ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemantan’ny Tetezamita, araka ny fitsipika mifehy azy ireo.
Fantatra, araka ny loharanom-baovao avy amin’ireo tompo-marika amin’ity fangatahana fivoriana tsy ara-potoana ity fa isan’ny antony lehibe nanosika azy ireo hanao izany ny fahitana fa tokony handraisana fanampahan-kevitra entitra ny fampiharana an-tsakany sy an-danvany ny tondrozotra, indrindra ny andininy faha 20 izay fototry ny tsy fitovian-kevitra amin’izao fotoana izao. Ankoatr’izay dia isan’ny laha-dinika heverin’izy ireo fa haroso ho dinihina amin’izany ny fanaovana fanadihadiana momba ny nampiasana ny teti-bolam-panjakana tamin’ny taona 2012. Isan’ny ipetrahan’ny ahiahin’izy ireo amin’izany ny mikasika ny vola azo tamin’ireo orin’asa vanenty mitrandraka harena an-kibon’ny tany eto amintsika.
Hatreto izany dia mbola tsy ampy ny isan’ireo parlemantera nanao sonia an’ity fangatahana ny hanatanterahana fivoriana tsy ara-potoana ity. Saingy araka ny fahitan’izy ireo dia mety ho tafita ihany izany satria maro ireo manaiky ny maha-zava-dehibe izany, indrindra amin’izao fotoana hiatrehana ny fifidianana izao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.234