30/01/2013
Namoaka tatitra (grand rapport) ho setrin’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny CPS (filan-kevitra misahana ny filaminana) eo anivon’ny vondrona Afrikana ireo manamboninahitra mitàna andraikitra ambony amin’izao fitondrana Tetezamita izao. Fitsipahana marindrano ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana no votoatin’izany tatitra izany, araka ny vaovao azo. Raha tsorina dia fanatanterahana ara-bakiteny ny fanirian’ny filohan’ny HAT Andry Rajoelina, izay mifanohitra tanteraka amin’ny fepetra takian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena an-daniny, tohanan’ny ankamaroan’ny olom-pirenena ihany koa (araka ny fanadihadiana nataona fahitalavitra tsy miankina iray) an-kilany. Mitarika izany fisakanana ny fodian’ny filoha teo aloha izany ny filohan’ny CMDN, ny jeneraly Ranto Rabarisoa sy ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André, miampy ireo lehibe (chefs de corps) notendren’ny filoha Rajoelina nandritra izay efatra taona nisian’ny krizy izay.
Fihaonamben’ny Tafika
Mazava araka izany fa mitanila tanteraka amin’ny filohan’ny HAT izay nanendry azy ireo eo amin’ny andraikiny ireto manamboninahitra eo anivon’ny Foloalindahy ireto ary tsy afaka ny hametraka ny politikan’ny tsy momba atsy na ny eroa amin’ny fanatanterahana ny andraikitra izay nankinina tamin’izy ireo. Heverina araka izany fa fotoana tokony hanaovana Fihaonambe (Etats généraux) eo anivon’ny Tafika mihitsy izao vanim-potoana lalovan’ny firenena izao. Voahitsakitsaka mantsy ireo fehin-kevi-dehibe tapaka nandritra ny Fikahonandohan’ny Foloalindahy natao teny Ivato ny taona 2009. Misongadina amin’izany ny famerana ho telo taona raha be indrindra ny fijanonan’ny manamboninahitra iray eo amin’ny toeran’ny fibaikoana (poste de commandement). Diso fantatry ny maro anefa ny zava-misy ; feno efatra taona izao no naha CEMGAM ny jeneraly Ndriarijaona André. Tokony hivoaka mandritra izany Fihaonamben’ny Tafika izany koa ny tena andraikitry ny Foloalindahy hivoahana amin’izao krizy izao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.806