30/01/2013
Nanao valan-dresaka an-gazety tetsy amin’ny Louvre Antaninarenina ny sekretera nasionalin’ny antoko PSDUM, Reboza Julien, ministry ny Rano amin’izao fitondrana HAT izao, nanakiana mafy ny fanambarana nataon’ny filohan’ny UDR-C, Lahiniriko Jean mikasika ny filatsahan-kofidiany amin’ny anaran’ny UDR-C. Nambaran’ity ministra ity fa mbola tsy manana kandidà ankoatra ny filohan’ny Tetezamita ny PDSUM sy ny UDR-C hatramin’izao. Voalaza ao anatin’ny andininy faha-3 amin’ny sata mifehy ny UDR-C mihitsy moa io fanohanana ny filoha Andry Rajoelina io. Nohamafisiny ihany koa ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny kongresin’ny PSDUM fa izay kandidà hatolotry ny UDR-C no kandidà hotohanan’ny antoko. Hatreto anefa tsy mbola nisy fanapahan-kevitra hafa tapaky ny kongesy taorian’ny tsy filatsahan-kofidian’ny filohan’ny Tetezamita. Voatsipaka ihany koa araka izany ny kandidà Lahiniriko Jean filohan’ny UDR-C.
Raha ny fijery ivelany aloha dia tahaka ny vaky ny ady eo amin’ny minisitra Reboza Julien sy Lahiniriko Jean. Rehefa dinihina kosa anefa ny toe-draharaha dia karazan’ny « vazaha mody miady » ihany ireto mpomba ny filoha Rajoelina ireto, tonga amin’ilay fomba fiteny malaza hoe : « zarazarao hanjakana ». Mitady izay fomba hampizarazarana vatom-pifidianana indray ireo dinôzôro politika toa an-dry Reboza Julien sy Lahiniriko Jean. Matahotra mafy ireo kandidà mpifaninana aminy tokoa mantsy ireo mihevitra ny hisolo toerana ny filoha Rajoelina. Ireo mpino ivelan’ny fiombonan’ny fiangonana kristiana eto Madagasikara no tena voakasik’izany.
FFKM bis
Re mantsy izao fa eo am-pikotrehana hanangana rafitra mitovy lenta amin’ny FFKM ireo fiangonana ivelan’izany, fantatra amin’ny fomba fiantsoana mahazatra azy ireo hoe sekta. Loza mitatao ho an’ireo dinôzôro politika tokoa izany ary tena handiso tanteraka ny kajikajy politika. Mpifidy azo antoka ho an’izay kandidà hifanarahana avy amin’io rafitra vaovao io mantsy ireo mpino avy amin’ireny sekta ireny, raha voazarazaran’ny politika nandritra izay 52 taona nahazoana ny Fahaleovantena izay kosa ny mpino avy amin’ny fiangonana kristiana mitambatra ao amin’ny FFKM. Voatery tsy maintsy miroso amin’ny politikan’ny “zarazarao hanjakana” ireo dinôzôro politika toa an-dry Reboza Julien sy Lahiniriko Jean ary mbola ho avy tsy ho ela ny avy amin’ny antoko TGV, tahaka ny zava-misy any Toamasina. Hatreto tokoa mantsy dia manana olona afaka hisolo toerana ny filohan’ny HAT ireo antoko politika mpomba azy. Ny sekretera nasionalin’ny TGV, Lanto Rakotomavo, no tokony handimby (araka ny laojika) izany andraikitra izany kanefa hiaraha-mahalala ny elanelana. Izay no mahatonga ny filoha Rajoelina mihevitra ny hanatanteraka ny fifidianana solombavambahoaka mialohan’ny filoham-pirenena. Mety handiso tanteraka ny kajikajy politikan’ireo dinôzôro anefa ity rafitra an-dalam-pahaterahana, mitovy lenta amin’ny FFKM ity.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.188