30/01/2013
Namoaka tatitra izay voalaza fa fehin-kevitra vokatry ny fifampidinihina teo amin’ireo nanao Sonia ny tondrozotra ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny Tondrozotra na ny CSC. Ahitana andininy miisa 13 ao amin’izany fehin-kevitra izany ka ny andininy iray alohan’ny farany dia mifantoka amin’ny fangatahan’ny CSC ny fanatanterahan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny famatsiam-bola izany komity izany mba afahany manao ny asany. Tsy azo antoka anefa ny hanomezan’ny Fianankaviambe iraisam-pirenena famatsiam-bola ny CSC satria tsy hita taratra ao amin’izany tatitra izany akory ny fahavonan’ity rafitra ity hanery ny mpanasonia ny Tondrozotra amin’ny fanajana ireo andininy rehetra amin’ny Tondrozotra, indrindra ny andininy faha 20 izay takin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny fanatanterahana azy.
Isan’ny nandraisana fanampahan-kevitra nandritra ny fihaonan’ireo solontenan’ny mpanao Sonia ny tondrozotra sy ireo solontenan’ny andrim-panjakan’ny tetezamita ny tsy fiverenena intsony amin’ny fitsinjarana ny Ministera sy ny toerana any anivon’ny Andrim-panjakana samihafa amin’izao tetezamita izao. Nambara ihany koa fa hitondrana fanazana ny andraikitry ny Andrim-panjakana samihafa. Ankoatr’izay dia nambaran’ity tatitra ity ihany koa fa tokony hitazona ny tsy fiandaniana ny filohan’ny Andrim-panjakana isan’isany avy sy ny mpitantan-draharaha rehetra amin’izao tetezamita izao.
Sokafana ireo haino aman-jery nakaton’ny HAT
Nandraisana fanampahan-kevitra ihany koa ny mikasika ireo haino aman-jery izay nakaton’ny fitondrana tetezamita. Nambaran’ny tatitra fa sokafana ireo haino aman-jery nakatona nohon’ny antony ara-politika ary homena fazoan-dàlana hisokatra ireo haino aman-jery vaovao mba ho fanajana ny didy aman-dàlana manan-kery. Ary farany dia isan’ny nisongadina tamin’izao tatitra izao ny andininy iray izay mitaky ny fanatanterahan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny voalaza ao amin’ny andininy faha 28 ao amin’ny Tondrozotra. Tsy inona izany fa ny hisian’ny fanampiana ara-bola ny rafitry ny Komity mpanara-maso ny fampiharana ny Tondrozotra n any CSC. Fanambarana izay manamafy fa miankina betsaka amin’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny fahavitan’ity rafitra ity ny asany.
Santionany tamin’ireo fanampahan-kevitra voalaza fa vokatry ny fifampidinihina teo amin’ireo nanao Sonia ny Tondrozotra natao tamin’ny 10 sy 17 desambra 2012 ary ny 14 janoary 2013 teny Ivato, ireo nasongadintsika ireo. Marihina anefa fa mahatratra 13 ireo andininy mitanisa ireo fanampahan-kevitra ireo. Tsara ny manasongadina fa tsy hita taratra ao anatin’izany fanammpahan-kevitra izany ny mikasika ny andininy faha 20 izay ipetrahan’ny tsy fitoviam-pijery amin’ireo mpanao Sonia ny tondrozotra sy ny mpampihantra izany tondrozotra izany. Tsy voaresaka tamin’ity dinika ity ve io andininy faha 20 amin’ny tondrozotra ity sa niniana tsy noresahana? Tsara anefa ny mampatsiahy fa tsy mitsahatra ny manamafy ny amin’ny tsy maintsy hanatanterahana an’io andininy faha 20 io ny Fianankaviambe iraisam-pirenena. Izany hoe azo heverina ny tsy hanomezan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena vola ny CSC raha tsy maneho ny fahavononany amin’ny fanatanterahana an’io andininy ion y rehetra. Ny loharanom-baovao hafa kosa no nanambara fa amin’ny fihaonana manaraka no nety handinihana izany. Mbola mampieritreritra ny maro arak’izany ny amin’ny mety ho lanjan’ity tatitry ny fivorian’ireo mpanao Sonia ny tondrozotra izay notarihan’ny CSC ity.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.924