30/01/2013
Any Toamasina amin’izao fotoana izao ireo mpikambana ao amin’ireo kômisina manokana natsangana teo anivon’ny CST na ny Filankevitra ambonin’ny Tetezamita. Araka ny nambaran’izy ireo dia nanomboka ny talata 29 janoary ary tsy hifarana raha ny sabotsy 02 febroary ny iraka manokana ataon’izy ireo any an-toerana. Tsiahivina fa miisa 07 ny kaomisionina natsangana tao an’ivon’ny Filankevitra avon’ny Tetezamita handinika ireo raharaha samihafa misy eto amin’ny firenena. Isan’izany ny “raharaha Nadine Ramaroson”, ny kômisiona momba ny “harena ambanin’ny tany”, ny “seranan-tsambon’i Toamasina “, ny “raharaha bois de rose”, ny “sirama”, ny “tsy filaminana any atsimo”, ary ny “raharaha ady tany sy fananan-tany”.
Hita ao amin’ny faritra Atsinanana avokoa ny enina amin’ireo kômisiona ireo afa-tsy ny “raha tsy filaminana any atsimo”.
“Tsy hahasakana ny fanaovanay ny asanay ny ramatahora sy ny sakatsakana misy sy ataona andian’olona aminay. Efa vonona sy nifaranaka tsara izahay manao izao fanadiadiana izao, ary mila valiny mahafa-po sy tokony hahalala ny marina ny zava-misy ny vahoaka Malagasy”, hoy CST Alain Ramaroson filohan’ny kaomisiona mitarika ny hiraka ao Toamasina. Nambarany ihany koa fa tsy kaomisionina hampitahotra na hanenjika olona ity natsangana araka ny lalana manan-kery ity fa nentina kosa hijery ny marina sy izay tena tompon’antoka nahatonga ny olana ary mitady vahaolana mifanaraka amin’ny olana hita rehetra ihany koa. Saingy tsy maintsy eny amin’ny fitsarana ny fiafarany, raha misy ny tena tsy fanarahan-dalana na fandikan-dalana. Nomarihan’ny CST Lecacheur Henri mitarika ny kaomisionina “raharaha bois de rose” fa “tsy maintsy atao fantatry ny Malagasy ny tena marina sy ny zava-miafina ary ireo olona mifaningotra, nanimba ny harem-pirenena sy nivarotra izany noho ny tombontsoa manokany sy ny namany ary ny fianakaviany ireo. Iraka ara-panjakana amin’ny alalan’ny vahoaka Malagasy tompom-pahefana ny anay, ka aleo hanenjika sy hampigadra izay sahy amin’izany”.
Mizara ho andiany telo ireto CST ao anaty kaomisionina manokana manao fanadiadiana ifotony ireto: ny andiany voalohany dia hiazo ny Faritra Analanjofo amin’ny fanadiadiana ny raharaha Nadine Ramaroson sy andramena. Ny andiany faharoa kosa dia hiazo an’i Brickaville hanadihady ny raharaha Sirama sy ny ady tany. Ny andiany fahatelo kosa dia hijanona ao Toamasina I hanadihady ny raharaha seranan-tsambo sy ny harena ambanin’ny tany. Fantatra ihany koa izao araka ny fanazavana azo tamin’ireto mambra ny kaomisionina ireto, fa efa tonga eny anivon’ny praiminisitra ny fangatahan’izy ireo ny hanomana fivoriana tsy ara-potoana voalohany amin’ity taona ity mba hametrahana kaomisionina faha-08, izay hisahana manokana ny “fanodikodinam-bolam-panjakana” sy ny “hala-bolam-bahoaka ataon’ny ekipan’ny mpitondra ny tetezamita”. Koa ho hita mandritra izay ny marina mikasika ny fampiasam-bola sy momba ny fidiram-bola teto amintsika nandritra ny fitondrana tetezamita efa ho efa-taona izao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.451