Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mizotra mankany amin’ny fanemorana ny fifidianana

31/01/2013

Tsy ho tanteraka araka ny daty efa nofaritan’ny CENIT sy ny manampahaizan’ny Firenena mikambana ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara. Samy efa manomana ny sain’ny rehetra momba izay fanemorana ny fifidianana izay avokoa ny fanambaran’ireo fianankaviambe iraisam-pirenena, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanambaran’ny Filankevim-pilaminan’ny Vondrona Afrikana isika. Hisy rahateo, ato ho ato ny fivoriana iarahan’ny CENIT sy ny Fianankaviambe iraisam-pirenena izay vinavinain’ny maro fa hanapahana hevitra manandrify izay fanemorana ny fifidianana izay.

Samy naneho ny ahiahiny amin’ny mety tsy hatratrarana ny datin’ny 8 mai amin’ny fanatanterahana ny fifidianana azo antoka eto Madagasikara ny ankamaroan’ireo mpiara-miombonantoka amintsika. Isan’ny naneho izay mazava ny Vondrona Afrikana tamin’ny alalan’ilay tatitra nataon’ny CPS (Filankevim-pilaminan’ny Vondrona Afrikana), mahakasika ny fivoaran’ny toe-draharaha eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Nambaran’ity rafitra faratampony aty Afrika ity, ao amin’ny andininy faha 57 amin’ny tatitra nataony fa Hisy fiantraikany ratsy amin’ny fanajana ny tetiandrom-pifidianana ny olana ara-bola sy ara-pitaovana sedraina amin’ny fampandehanana ny fifidianana eto Madagasikara. Notsiahiviny fa 71 tapitrisa dolara ny vola ilain’I Madagasikara amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Amin’izao volana vitsy mialoha ny datin’ny fifidnana izao anefa dia tsy misy afa-tsy 35 tapitrisa dolara no nampanantenain’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. 27 tapitrisa dolara kosa no anjaran’ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny tetibolam-panjakana, hoy ihany ny fanambarana avy amin’ny CPS. Nambarany anefa fa mbola tsy voaloha araka ny tokony ho izy ireo vola nampanantenaina ireo hatramin’izao. Mbola mila 3 tapitrisa dolara alaina amin’ny tetibolan’ny taona 2013 sy 5,3 tapitrisa dolara alaina amin’ny teti-bola amin’ny taona 2014 vao ampy ny vola ilaina. Notsiahiviny ihany koa fa tsy tomombana araka ny naminavinana azy ny fanisana ny mpifidy. Raha nokasaina ho vitaina ao anatin’ny iray volana izany, tamin’ny volana oktobra 2012 dia tsy tanteraka hatramin’izao, araka ny fanamarihan’ny CPS ihany.
Ankoatr’ireo fanamarihan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ireo dia tsy vitsy ihany koa ireo fanambarana sy fanehoan-kevitra izay nataon’ireo mpanao politika sy ireo tompon’andraikim-panjakana izay manambara an-kolaka fa tsy maintsy hihemotra ity fifidianana ity. Omaly, ohatra, dia nanambara ny Minisitry ny Ati-tany Rakotoarisoa Florent fa raha tsy tontosa amin’ny 8 febroary ho avy izao ny famoahana ny fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato dia midika izay fa tsy maintsy mihemotra ny fifidianana. Nomarihiny fa araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 35 n’ny lalàna mifehy ny fifidianana dia tsy maintsy hatao 90 andro mialoha ny datim-pifidianana ny fiantsoana ny mpifidy handatsa-bato. Nomarihany ihany koa fa isan’ny mampametram-panontanana amin’izao fotoana izao ny fanentanana ny mpifidy amin’ny fampiasana ny “bulletin unique”. Ankoatr’ireo lafin-javatra notsiahivin’ny Minisitry ny Atitany ireo dia mbola isan’ny mety hampanano sarotra ny fanatanterahana ny fifidianana amin’io daty io ihany koa ny mbola tsy fatanterahan’ireo rafitra sy fepetra sasantsasany amin’ny fampitoniana eto amin’ny firenena. Ohatra amin’izany ny fametrahana ny FFM izay miantoka ny fampiharana ny famotsoran-keloka.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...