Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nopotehina nefa nitazam-potsiny ny Tetezamita

31/01/2013

Potika tanteraka amin’izao fotoana izao ny ampahany betsaka amin’ilay orin’asan’ny fianankaviana Ravalomanana, dia ny Tiko Top sy Mana any Toamasina. Saika isan’andro no ahitana olona manongotra ny fotodrafitrasa sisa tavela amin’izany orin’asa izany. Mitazam-potsiny kosa ireo tompon’andraikim-panjakana any an-toerana manoloana izany fandrobana izany na dia efa nisy aza ny fanampahan-kevitra noraisina tamin’ny taona 2009 izay milaza fa harovana ny fananan’ny Filoha teo aloha. Nijery ifotony ny zava-misy tany an-toerana, omaly, ny olom-boatendry Rakotomanana Gervais.

“Tena niniana nopotehina sy nosimbaina ity orinasa Malagasy an’ny fianakavian’ny filoha Ravalomanana ity. Hita taratra amin’izao fa mbola maro ny Malagasy tsy tia fandrosoana satria na ho inona no ambara dia isan’ny orinasa tena reharehan’ny mpandraharaha Malagasy ny orin’asan’ny filoha Ravalomanana, nefa izao nanaovana antsonjay politika izao”. Izay no nambaran’ny Mpanolontsaina avon’ny Tetezamita, ny Docteur Rakotomanana Gervais raha nijery ifotony ny fahasimbana sy fahapotehana mitranga eo anivon’ny “Tiko Oil Product” na TOP II Toamasina ny alarobia tolakandro. Raha ny zava-misy hita nandritra izany fidinana ifotony iniaraka tamin’ity CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izany, dia tsy nisy nihangana intsony ireo tafo fanitso tamin’ny orinasa sy ny birao rehetra ary ireo magazay. Ireo karazam-by mitana ny trano sy ireo fitaovana be tao amin’ity orinasa fanadiovana menaka ity ihany koa dia efa tapitra tapaka sy nangalarin’ireo jiolahy “voairaka” avokoa.

Raha itodihana ny tantara nahatonga ny fahapotehana ninian’ny FAT natao tamin’ny orinasan’ny fianakaviana Ravalomanana, dia ny Filan-kevitry ny minisitra notarihan’ny Filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina sy ny Praiminisitry ny FAT, Monja Roindefo tamin’ny taona 2009, no nanapahan’ny minisitry ny Vola tamin’izany fotoana izany sy ny minisitry ny Fitsarana ary ny minisitry ny Varotra, fa halain’ny fanjakana tetezamita ny fananan’ny TOP II sy ny MANA ary ireo varin’ny MAGRO teo amin’ny magazay izay samy tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Izany dia mba “handoavan’ny orinasa Tiko ny trosany tamin’ny fahazoany ‘exoneration’ tamin’ny fanafarana ny menaka sy vary ary ireo varimbazaha nanaovana ny lafarinina”. Niarahan’ny Malagasy nahita ny zava-nisy tamin’ny famarotana ny vary sy ny lafarinina ary ireo ambina menaka voadio sy ireo mbola tsy voadio, izay nananganana komity manokana mihintsy nisahana izany ny taona 2009 – 2010. Isan’ny fanampahan-kevitra noraisina tamin’io fotoana io ihany koa anefa ny fiarovana ny fananan’ny fianakaviana Ravalomanana. Tsy izany no zava-nisy amin’izao fotoana izao fa navela nanjakan’ireo jiolahy andro aman’alina mandrake androany, na ny ny TOP II na ny MANA. Efa ritra sy tapitra namidy rahateo ireo entana tao anatiny, na ireo tratran’ny mpitandro ny filaminana tamin’izany aza mazana votsotra fotsiny rehefa tonga teny amin’ny fitsarana.
Ny vaovao azo teo anivon’ny kaompania ny zandary ny seranan-tsambo ankehitriny no nahafantarana fa efa nahatratra mpangalatra 30 izy ireo nanomboka ny volana oktobra lasa teo ka hatramin’izao ary samy efa miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy avokoa ireo mpangalatra ireo ankehitriny noho ny fiaraha-miasa napetraka tamin’ny lehiben’ny fampanoavana vaovao sy ny ekipan’ny fitsarana. “Raha tsy fitiavana ny filoha Ravalomanana no zava-nisy ny taona 2009, nahoana no nanimbana ny fananan’ny fianakaviany izay notantanan’ny vady aman-janany. Na ho inona koa ambara eto dia orinasa reharehan’ny Malagasy ny vondrona Tiko, ka raha izao fanimbana fananan’olona tsy tiana izao foana no atao, dia an’iza indray izany no manaraka raha tapitra ny tetezamita?...mila fanovana ny toen-tsain’ny mpanao politika tia fahefana be loatra”, hoy hatrany CST Dr Rakotomanana Gervais namarana ny fanazavany nahita ny zava-nisy marina.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...