31/01/2013
Taorian’ny hetsika fanakianana ny Frantsay dia niroso tamin’ny fisaorana ny fanjakana Amerikana indray, omaly ny mpikatroka avy ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana. Tamin’ny alalan’ny hetsika natao teny anoloan’ny masoivohon’ity firenena ity teny Andranomena no nanatanterahana izany fisaorana izany.
Marihana fa vitsy dia vitsy ny olona tonga nanohina ny antson’izy ireo sy nandray anjara tamin’izany hetsika izany izay notarihan’ny talen’ny kabietran’ny filoha lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita Zafilahy Stanislas, sy Inspectera Fanomeza. Nilanjana sora-baventy ho fisaorana ny fitondrana Amerikana izy ireo. Nisy ihany koa ny taratasy izay natolotra ny masoivoho Amerika eto amintsika. Solontena avy amin’ny mpanao fihetsiketsehana miisa efatra no nitondra izany taratasy izany. Araka ny fanazavana avy amin’ireo solontena ireo dia tsy tao ny tomponandraikitra fa ny solontena no nandray ny taratasy. Anisan’ny voalaza ao anatin’izany taratasy izany ny fisaorana ny Amerikana hatramin’izay ka hatramin’izao amin’ny tsy fanekeny ny fanonganam-panjakana. Nangataka fiarahamiasa ihany koa ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ireo.
Namafisin’ny mpitarika fa mbola mitaky hatrany ny fiverenan’ireo sesi-tany politika any ivelany izy ireo. Ny famoahana ny gadra politika mbola any am-ponja. Tsy misy fifidianana eto hoy izy ireo raha tsy tonga eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha ary tsy misy olona hisolo azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tao anatin’ny filaminana tanteraka no nanaovana izay hetsika izay ary samy nody tamim-pahendrena ny tsirairay rehefa vita ny hetsika.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.963