Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitaraina ireo ireo “agents de saisie”

31/01/2013

Nanao hetsika fanehoana ny tsy fahafaliny teo anoloan’ny biraon’ny Faritra Alaotra Mangoro ireo « agents de saisie » nampiasain’ny CENIT tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Nambaran’izy ireo fa tsy nifanaraka tamin’ny voalazan’ny fifanarahana ny vola ho raisin’izy ireo. Mbola tsy voaray ihany koa ny vola kanefa efa vita ny asa nampanaovin’ny CENIT azy ireo. Nambaran’ny mpampaka-teny avy ao amin’ny CENIT kosa fa tsy fahazoana ny voalaza tao amin’ny fifanarahana no nahatonga ny tsy fahafaliana teo amin’ireo « agents de saisie » maro tamin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy. Nanaiky kosa anefa izy ireo rehefa nazavaina ny marina momba izany.

Toy ny nitranga tany amin’ny faritra hafa dia naneho ny tsy fahafaliany manoloana ny fihetsiky ny CENIT ireo « agents de saisie » tao amin’ny CID, distrikan’Ambatondrazaka. Nangataka fihaonana tamin’ny tompon’andrikitra tao amin’ny Fiadidiana ny Faritra Alaotra Mangoro izy ireo,omaly, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Araka ny nambaran’ireo « agents de saisie » tao amin’ny CID ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ireo dia 80 ariary isaky ny anaran’ny mpifidy voasoratra ao amin’ny CID no nifanarahana fa ho raisin’izy ireo. Amin’izao fotoana izao anefa dia fantatra fa tsy misy afa-tsy 40 ariary isaky ny anaran’olona no homena azy ireo. Ertsy an-danin’izany dia mbola tsy nahazo vola izy ireo na dia efa vita tanteraka aza ny asa nankinina taminy.
Raha nanontaniana mikasika ity olana ity ny mpampaka-tenin’ny CENIT, Rakotondrazaka Fano, dia nanambara fa tsy any amin’ity faritra ity ihany no nandrenesana fitarainana toy izany. Nambarany fa nisy fangataham-panazavana toy izany ihany koa tany amin’ny distrika hafa toa an’Analanjorofo sy Mananara Avaratra. Nilamina anefa ireo “Agents de saisie” rehefa nazavaina taminy ny marina. Nambaran’ny Mpampakatenin’ny CENIT ary fa araka ny voarakitra ao amin’ny famoaham-nolan’ny CENIT dia 80 ariary isaky ny anaran’olona tafiditra ao amin’ny solosainan’ny CID tokoa no vola hanaramana izay nampiditra izany. Saingy tsy olona tokana fa olona roa no manao izany asa izany satria ny iray no manoratra, ary ny iray kosa manamarina izay nosoratana.
Tsar any manamarika fa tapitra omaly ny vanim-potoana nampidirana ao amin’ny solosaina eny an’ivon’ny CID manerana ny Nosy ny anaran’ny mpifidy. Manomboka androany ary haharitra telo andro kosa ny fampidirana izany any amin’ny CIR ny rafitra eny anivon’ny Faritra isan’isany avy. Mbola hisy ny fikirakirana izany eny anivon’ity rafitra ity alohan’ny hadraketana azy an-taratasy (impression). Aorian’izay dia haverina eny an’ivon’ny Distrika indray ny lisitra vonjimaika, ary avy eo dia haverina eny anivon’ny Fokontany mba ahafahan’ny mpifidy manamarina ny anarany ao amin’izany lisitra izany. Haharitra 20 andro ny fotoana ahafahana manao izany fanamarinana ny anarana ao anaty lisim-pifidianana izany.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...