01/02/2013
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ny Jeneraly Rabarisoa Ranto filohan’ny CMDN. Araka ny nambarany dia mampanahy ny mety tsy hatanterahan’ny fifidianana amin’ny datin’ny 8 mai ho avy izao, raha ny fivoaran’ny toe-draharaha misy eto amintsika no jerena.
Hita taratra hoy ihany ity manamboninahitra ity fa misy dia misy ireo izay manana tombon-tsoa amin’ny tsy fatanterahan’ny fifidianana, izany hoe amin’ny fitaran’ny tetezamita. Nametraka mazava tsara anefa ny tenany fa ny fitaran’ny tetezamita no isan’ny antony mampirongatra ny tsy fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Ny fitaran’ny tetezamita ihany koa no mahatonga ny fiharatsian’ny rivotra politika eto amintsika amin’izao fotoana izao. Arak’izany dia niansto ny rehetra mba hanao izay hafany tsy hisian’ny fanemorana ny datim-pifidianana ny Jeneraly Rabarisoa Ranto.
Tetsy an-danin’izany, naneho ny heviny mahakasika ny fiverenana an-tanindrazana mialoha ny fifidianana ho an’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ihany koa ny jeneraly Rabarisoa Ranto. Nambarany fa anjaran’ny mpanao politika no mamaritra izany ary vonona ny hankato izay tapaky ny mpanao politika izy ireo. Tsy nafeniny anefa fa manahy ny hisian’ny fifandonana eo amin’ny mpomba an-dRavalomanana sy ny mpomba an-dRajoelina ny tenany raha misy izay fahatongavan’ny filoha teo aloha izay. Mety hitarika ny tsy fankatoavan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny fifidianana , hoy izy ny fisian’izany korontana izany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.119