02/02/2013
Nokianin’ny iraky ny SADC, Leonardo Simao ny sosokevitry ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina hampifamadika ny datin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny datin’ny fifidianana solombavam-bahoaka. Hitera-doza ho an’ny firenena izany araka ny nambaran’ity mpanelanelana ity. Mitaky ny hanomezana fahaleovan-tena tanteraka ny Komisiona mahaleotena momba ny fifidianana amin’ny famerana ny daty hanatanterahana ny fifidianana ihany koa ny tenany.Momba ny fampodiana an-tanindrazana an-dRavalomanana kosa dia efa eo am-pandinihana ny tatitr’ireo iraka miaramila avy amin’ny SADC ity rafitra ity ity rafitra ity amin’izao fotoana izao ary hisy ny fandraisana fanampahan-kevitra manandrify izany. Ireo no isan’ny nisongadina tamin’ny tatitra nataon’ny iraky ny SADC izay namarana ny fandraisana ireo ankolafin-kery sy ny masoivoho vahiny teto amintsika omaly.
Nifarana omaly ny iraka nataon’ny mpanelanelana avy amin’ny SADC, Leonardo Simao izay nivahiny teto amintsika nandritra ny andro vitsivitsy. Namarana ny fakan-kevitra nataony tamin’ireo rehetra izay voakasiky ny krizy eto Madagasikara ny fihaonany tamin’ireo masoivoho miasa sy monina eto Madagasikara. Tamin’izany no nanambaran’ity iraky ny SADC ity fa misy fandrosoana ny toe-draharaha eto Madagasikara, indrindra ny fanatanterahana ny fifidianana. Niansto ny rehetra mba hanaja sy hiady mafy mba hisian’ny fanajana ny CENI-T ihany koa ny tenany. Araka ny fanazavany dia tsy misy afa-tsy ny Komisiona mahaleotena momba ny fifidianana na ny CENI-T no hany afaka mamaritra ny daty sy ny filaharan’ny fifidianana eto amintsika. Ny CENI-T izay nambarany fa ahitana ny solontenan’ireo ankolafy rehetra voakasiky ny famahana ny krizy eto amin’ny firenena, ary rafitra voatondra mazava tsara fa tompon’nandrikitra amin’ny fampandehanana ny fifidianana araka ny tondrozotra. Arak’izany dia tsy misy afaka manova ny datim-pifidianana n any filaharan’ny fifidianana n any mpanao Sonia ny tondrozotra n any andrim-panjakana hafa amin’ny tetezamita, eny fan a dia ny Fianankaviambe iraisam-pirenena aza. Tamin’ny fanazavan’ity mpanelanelan’ny SADC ity ihany koa no nanasongadinany fa loza mitatao ho an’ny firenena ny fanovana ny daty n any filaharan’ny fifidianana izay hatao atsy ho atsy eto amintsika. Hiteraka tsy fahatokisana ny CENI-T izany araka ny nambaran’i Leonardo Simao, ary mety hiafara amin’ny tsy fankatoavana ny vokam-pifidianana izay mety hiteraka krizy vaovao eto amin’ny firenena.
Ny SADC no hanapaka
Noresahan’i Leonardo Simao ihany koa ny mikasika ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Araka ny fanazavany dia efa eo am-pandinihana ny tatitra nataon’ireo iraka miaramila nalefan’ny SADC teto Madagasikara ity rafitra ity amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy ho dinohina akaiky hoy izy ny filazana fa mety hiteraka korontana ny fiverenan-dRavalomanana eto Madagasikara mialoha ny fifidianana. Tsy maintsy hisy arak’izany ny fandraisana fanampahan-kevitra manandrify izany.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.811