02/02/2013
Tamin’ny alalan’ny fanambarana izay nosoniavin’ny solon-tenan’ireo antoko politika sy vondrona politika nanao sonia na manohana ny tondrozotra no nampahafantaran’izy ireo fa toheriny ny sosokevitry ny Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina hampifamadihana ny datin’ny fifidianana solombavam-bahoaka sy ny datin’ny fifidianana filoham-pirenena. Ny MDM, ny HPM, ny PSDUM, ny GEC, ny AREMA, nyUDR-C, ny ESCOPOL, ary ny MONIMA UAMAD no nanao sonia izany fanambarana izany. Manoloana ny sosokevitra naroson’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny 15 janoary lasa teo izay mifantoka amin’ny famadihana ny tetiandrom-pifidianana ka hampandrosoana mialoha ny fifidianana solombavam-bahoaka dia namoaka fanambarana iombonana ireo vondroa politika sy antoko politika manohana na nanao sonia ny tondrozotra.
Arakan y voarakitra ao amin’izany fanambarana izany dia manamafy ny fifikirany sy ny tsy fivadihany amin’ny fametrahan-toky noraisiny teo anatrehan’ny firenena sy ny fianankaviambe iraisam-pirenena izy ireo. Manameloka ihany koa ny finiavana handray fanampahan-kevitra samirery izay miteraka fandevonana ny ezaka fampihavanam-pirenena sy famotehana ny fametrahana tokim-pitoniana ilaina amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fifidianana izao izy ireo. Niantso ny tompon’nandrikitra eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary ireo mpanao politika ireo mba hanaja ny voarakitra ao amin’ny andininy faha 10 ao amin’ny tondrozotra sy ny tetiandrom-pifidianana, indrindra fa ny fanambarana iraisana nataon’ny CENI-T sy ny rafitry ny Firenena Mikambana tamin’ny volana aogositra 2012, mamaritra ny tetiandrom-pifidianana . Miantso ny rehetra ihany ko aizy ireo mba hanaja ny voalaza ao amin’ny andininy faha 13 sy 21 ao amin’ny tondrozotra mikasika ny fametrahan-toky ny amin’ny fanajana ny fenitra sy ny fitsipi-pitondrantenan’ny mpanao politika mandritra ny vaninandrom-pifidianana. Notsiahivin’izy ireo ihany koa ny andininy faha 15 ao amin’ny tondrozotra mikasika ny tsy tokony iandanian’ny Filohan’ny tetezamita, indrindra manoloana ny raharaham-pifidianana. Ankoatr’izay dia nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy maintsy hajaina ny andininy faha 23 amin’ny tondrozotra izay milaza fa tsy misy mpanao politika manan-jo hisakana ny fampiharana ny tondrozotra na nanao na tsy nanao sonia izany. Eo ihany koa ny andraikitry ny mpanelanelana izay nofaritan’ny andininy faha 39 ao amin’ny tondrozotra ary ny famaizana tokony hampiharina amin’izay minia manosihosy ny tondrozotra araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha 43.
Notsiahivin’ireto mpanao politika ireto ihany koa fa efa manan-kery ho làlana ny tondrozotra araka ny fanapahana laharana 2011-014 tamin’ny 28 desambra 2011. Nanao atso avo miantefa amin’ny CSC arak���izany ireo mpanao politika nanao sonia na nanohana ny tondrozotra, ny amin’ny tokony handraisan’ity andrim-panjakana ity andraikitra amin’ny maha tompon’antoka amin’ny fanaraha maso ny fampiharana ny tondrozotra azy ireo. Niantso ny fianankaviambe iraisam-pirenena hanome ohatra halain-tahaka ka ho entitra mikasika ny fanajana ny teny nomena amin’ny hanampiana an’i Madagasikara amin’ny fivoahana amin’ny krizy ihany koa ireo mpanao politika ireo. Ary farany dia niantefa tamin’ny Governemanta ihany koa ny antson’izy ireo. Miantso ny Governemanta hampiantso ny mpifidy ho amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 08 mai 2013 ho avy izao izy ireo.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.803