Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Miaramila 800 hampandry tany !

04/02/2013

Hanomboka rahampitso 5 febroary ary tsy hifarana raha tsy amin’ny faha-22 febroary 2013, ny fanazarantena ara-miaramila hiarahan’ny Tafika Malagasy sy ny Tafika Frantsay. Ny tontolo manodidina ny fampandrian-tany (maintien de la paix) no fototr’izao fiofanana ara-miaramila izao izay hatao any amin’ny Faritry Boeny, ny Faritra Andrefanaizay hipaka hatrany Ambanja, Antananarivo ary Toamasina ho an’ny Faritra Atsinanana. Fanomezan-tanana ny Tafika Malagasy hiatrika ny antsoina hoe fampandrian-tany no tanjona amin’izao sarinady miaramila hiarahana amin’ny Frantsay izao. Tsy maintsy vonona mialohan’ny taona 2015 ity vondrona manokana mpampandry tany ity, araka ny vaovao azo. Nampitondraina ny anarana « Betsiboka » moa ity sarinady ity.

Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ihany moa ity sarinady miaramila “Betsiboka” ity. Tsy vao izao tokoa no nisy sarinady na fiofanana miaramila niarahan’ny Tafika Frantsay sy Malagasy, indrindra ny fiaraha-miasa eo amin’ny FAZSOI. Ohatra amin’izany ny Trozona, ny Lefo sy ny maro samy hafa. Manitikitika ny saina eo anatrehan’izao krizy misy eto amin’ny firenena izao ny famaritana ny daty 2015 ho tanjona tsy maintsy henjehan’ireto miaramila 800 mpampandry tany ireto. Fa hisy inona aloha sy aorian’io daty io? Hiaraha-mahalala fa any amin’ny tany miady no ilàna izany miaramila mpampandry tany izany tahaka izany nitranga ny taona 2002 nifandonan’ireo miaramila sy sivily mpomba an-dRavalomanana Marc sy Didier Ratsiraka.
Manahy araka izany ny mpanara-baovao fa tsy fifandrifian-javatra fotsiny ihany izao fiofanana miaramila manodidina ny resaka fampandrian-tany izao fa misy hifandraisany amin’ny raharaham-pirenena. Any amin’iny Faritra Atsimon’ny Nosy iny mantsy no heverina fa mila izany fampandrian-tany izany kanefa tsy tafiditra ao anatin’ireo Faritra sy toerana hanaovana ny fanazarantena.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...