Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

Recherche Journal

Archive Samihafa

Vola 2.108.000.000 Ar no lasan’ireo jiolahy

05/02/2013

Avy aty Antananarivo ny baiko handohavana ny vola takalon’ny namotsorana ireo zanaka sinoa nisy naka an-keriny tany Toamasina ny alin’ny sabotsy 26 janoary teo, araka ny loharanom-baovao. Tany Toamasina ihany kosa no voalaza fa nandohavan’ny havan’izy ireo an’izany vola izany izay mitentina 680.000 Euros na 2.108.000.000 Ar. Olona miisa 10 no efa nosamborin’ny mpitandro filaminana noho izy ireo voaroiroy ho mpiray tsikombakomba tamin’izany fakana an-keriny izany. Hatreto dia mbola maro dia maro ireo teboka tsy mazava manodidina ilay rahataha fakana an-keriny zanaka mpandraharaha sinoa ny alin’ny sabotsy 26 janoary lasa teo tany Toamasina. Zava-misy izay miteraka resabe maro dia maro any Toamasina any amin’izao fotoana izao. Na izany na tsy izany dia misy ihany koa ny fanampim-baovao momba ny fivoaran’izany raharaha izany amin’izao fotoana izao.

Isan’izany ny fahafantarana fa mitentina 680.000 Euros na 2.108.000.000 Ar ny vola notakian’ireo mpaka an-keriny an’ireto zanaka mpandraharaha sinoa ireto mba hamotsoran’izy ireo ny takalon’aina. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia atso an-tariby avy aty Antananarivo no nanome izany baiko izany. Tany Toamasina ihany kosa no natao ny fandoavana izany volabe izany.
Fantatra ihany koa etsy an-danin’izany fa efa nisy olona miisa 10 nosamborin’ny mpitandro filaminana tany Toamasina noho izy ireo ahiana ho mpiray tsikombakomba tamin’izany fakana an-keriny an’ireo sinoa mpifankatia ireo izany. Ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny kaompanian’ny zandarimariam-perenena ao Toamasina no nanatanteraka ny fisamborana azy ireo. Marihina fa taorian’ny fazoan’ireo mpaka an-keriny ny vola notakiany dia navotsotr’izy ireo tao Andranomadio Toamasina ireto mpifankatiana nalaina an-keriny ireto.

Ankoatr’izay rehetra izay dia mbola tsy mazava hatramin’izao ny momba ny fifandraisana mpitandro filaminana izay voalaza fa tafiditra amin’ity raharaha ity. Mbola tsy mazava ihany koa ny voalaza fa ifandraisan’ity raharaha ity amin’ny vadina karana avy aty Antananarivo efa fanta-daza amin’ny raharaha tahaka itony.

Mbola fanontaniana mipetraka amin’ny mponina any Toamasina ihany koa ny momba ny fandohavana ny vola notakian’ireo mpaka an-keriny. Ireo mpandraharaha roa samy nanan-janaka nalaina an-keriny ve no nifampizara tamin’ny fandoavana izany vola izany sa ny iray ihany no nandoha azy. Farany dia tsy mazava ihany koa ny mikasika ireo basy “kalachnikov” miisa roa nentin’ireto jiolahy nanao ny fakana an-keriny tamin’io fotoana. Marihina fa ny taona 2012 dia nahitana fahaverezana basy “kalachnikov” iray teo anivon’ny jenia miaramila. Tetsy an-danin’izany, vaovao tamina mpitsara no nahalalana fa ny iray tamin’ireo basy kalaky nentin’ireo jiolahy ireo dia ilay basy very tamin’io taona lasa io. Araka ny loharanom-baovao dia mihevitra ny hanome ny vaovao rehetra mikasika ity fakana an-keriny ity ny Jeneraly komandin’ny fari-piadidiam-paritan’ny zandary Toamasina. Miankina amin’ny fanaovan’ny kaompanian’ny zandary tatitra ny fanadiadiana anefa no hanaovany izany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...