25/10/2012
Miha mitombo ireo vehivavy sy renim-pianakaviana mivaro-tena amin’ny andro antoandro ho famelomana ny ankohonana taorian’ny fikatonan’ireo orinasa afaka haba sy tsy miankina vokatry ny krizy nanomboka ny taona 2009. Avenue de l’indépendance, Ambatomena, ny sisin’arabe ambadiky ny Tranombarotra Roso teo aloha, Tsaralalana, manamorona ny arabe mihazo ny « pompiers », Ambodifilao, cité Lacoste, sns. Manodidina ny 5000 ariary hatramin’ny 10000 ariary ny saran’ny fiarahana na ny antsoin’ireo mpivarotena hoe « pasazy ». Nambaran’ity renim-pianakaviana iray
(tsy mitonona anarana) ity tamin’ny mpanao gazety àry fa manodidina ny telo na dimy eo ho eo ny olona miaraka aminy mandra-paharivan’ny andro ; mihoatra lavitra noho ny karama azony tany amin’ireny orinasa afaka haba ireny ny fitambaran’ny vola azony ao anatin’ny iray volana. Mpiasam-panjakana ary lehilahy antonony ara-pivelomana no ankabeazan’ny mpanjifa, hoy ihany ity mpivarotena ity. Mazàna anefa voatery miasa andro sy alina hiantohana izay famelomana ny ankohonana izay, hoy hatrany izy. Manomboka amin’ny valo ora maraina dia efa misy mpanjifa mitady vehivavy, hoy ihany ity renim-pianakaviana ity; indrindra fa eo anelanelan’ny amin’ny 12h hatramin’ny roa ora tolakandro ary aorian’ny ora firavan’ny mpiasa.Manodidina ny 1500 ariary hatramin’ny 2000 ariary kosa indray ny saran’ny efitrano mandritra ny iray ora. Fandriana miampy latabatra ary toeram-pidiovana hitambaran’ny rehetra ny ankamaroan’ny sokajin’ireo efitrano voakasik’izany. Iny faritra manodidina ny cite Lacoste iny no tena maro an’ireto efitrano fandehanan’ny mpivarotena antoandro ireto ary mbola nanamafy izany rahateo koa ity renim-pianakaviana nanaiky ny hitafa tamin’ny mpanao gazety ity. Mbola vidiana mitokana ihany koa ny fimailo satria tsy miantoka ity fiarovana amin’ny areti-mifindra azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ny tompon’ny efitrano. Raha tsorina dia rindrina efatra tsy hitanjahana imason’olona no azo hanasokajiana izany efitrano izany ary lavitry ny fahadiovana sy ny fenitra takiana amin’ny trano fandraisam-bahiny. Rehefa afaka fotsiny ny mavesatra dia izay no zava-dehibe.
Midika ve izany fa manana olana ara-tokantrano ny mpiasam-panjakana sa tena fahazaran-dratsy tsotra izao? Rotoroto lava tokoa ny fiainan’ny Malagasy; maro ireo tsy tafody an-trano amin’ny antoandro ka lasa manao kibo an-tsena. Mety efa samy reraky ny fitadiavana daholo koa angamba ny mpivady ka lasa ambin-javatra ny lafiny ara-batana sy ny ara-pitiavana, hany ka mibolisatra any amin’ireo mpivarotena antoandro. Mazava ny tenin’ity mpivarotena ity fa mpiasam-panjakana ny ankamaroan’ireo mpanjifa amin’ny antoandro. Mipetraka kosa ny fanontaniana manao hoe: ny lehilahy mpiasam-panjakana irery ihany ve no tratran’izao fankam-panahy izao sa ny vehivavy ihany koa?
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.206