Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Maty ripaka ny zanak’Atsimo , norobaina ny harenany...

26/10/2012

Tonga teto amin’ny La Nation nitondra fanazavana sy naneho ny halahelony manoloana ny zava-misy any Atsimo ny depiote teo aloha Mara Niarisy, izay zanaky ny Faritra Atsimo rahateo. Nambarany tamin’izany àry fa manohitra amin’ny heriny rehetra ny fandripahana ny zanak’Atsimo amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika ny tenany ary manao antso avo ho an’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka hanohitra izany fanapahan-kevitra noraisin’Ambohitsorohitra izany, araka izao manaraka izao: « maty ripaka ny zanakay any Atsimo; norobaina ihany koa ny harenanay

koa mitsipaka tanteraka izao fampiasan-kery handripahana ny zanak’Atsimo izao ny tenako. Nahoana ho ripadripahana tahaka izao ny tanora zanaky ny Faritra Atsimo kanefa ireo dahalo ambony labatra tsy voakitikitika? ». Nambaran’ity solombavambahoaka ity fa manao mizana mitanila ny fitondrana manoloana. Tsy tokony ny any Atsimo irery ihany no nandraisana izao fanapahan-kevitra nampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika izao. Hoy indrindra ny depiote Mara Niarisy: « tokony hosamborina sy tifirina ho faty ihany koa ireo mpanondrana « bois de rose » voalazan’ny gazety ireny; nahoana ny zanakay any Atsimo irery no hampiharana izany. Tsindriako eto fa maro amin’ireo olona maty any ATsimo ireo no tsy meloka ».

Kolikoly
Endrika valifaty ny zava-nitranga tany an-toerana raha ny fijerin’ny depiote Mara Niarisy azy, araka izao manaraka izao: « vokatry ny firongatry ny kolikoly eo amin’ny sampan-draharaham-panjakana, manomboka any amin’ny Fitsarana sy ny Mpitandro filaminana no fototr’izao zava-mitranga any Atsimo izao. Leon’ny fitakiana vola ataon’ny mpitandro filaminana amin’ireo dahalo mpangalatra omby no antony nahatonga azy ireo nitroatra toa izao. Ninian’ireo dahalo novolena mihitsy ny halatra omby sy ny fanafihana tanàna mba hifanatrehana amin’ireo mpitandro filaminana. Ny kolikoly be loatra ao amin’ny Faritry Betroka sy ny manodidina azy no fototr’izao korontana ara-piarahamonina any an-toerana izao ». Nambaran’ity solombavambahoaka teo aloha ity ihany koa fa misy ambadika ny firongatry ny asan-dahalo tany Atsimo ary misy atidoha mpaniraka: « manan-karena iny Faritra Atsimo iny. Misy diamondra ao Betroka, Emeraude ao Benenitra ary solitany ao Sakaraha. Ataon’ny sasany izay handripahana ny omby mameno ireo kijàna sy velarantany; ripahana toraka izany koa ireo tanora matanjaka mba hanamorana ny fiorenan’izay hitrandraka izany harena an-kibon’ny tany izany. Efa nanandrana izany ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka tany amin’ny taona 80; dia izao haverin’ny fitondrana Andry Rajoelina izao. Be antitra tsy afaka hanao inona sisa no tavela; iza àry izany no higoka ny tombotsoa avy amin’ireo harem-be ireo rehefa tapitra ripaka ny zanakay any Atsimo? ».

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...