27/10/2012
Tsy niolakolaka ny fanambaran’ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena momba ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Arakan y voalaza ao amin’io tatitra io dia izao fitondranatetezamita izao no rangory fototry ny afo mahatonga ny fahantrana lalina mahazo ny an-kamaroan’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Manondro mena avokoa amin’izao fotoana izao ireo tondro momba ny fiainam-bahoaka, hoy ihany ny fanambaran’ity tatitra ity, mitontongana ihany koa ny fotodrafitr’asa ary tsy afa-miaro-tena manoloana ireo loza voajanahary toy ny rivo-doza intsony ny
firenentsika. Mbola tsy azo antoka ihany koa ny hisian’ny fiakaran’ny farim-piainana amin’ny taona hoa avy.Nitombo 4 tapitrisa ny isan’ny Malagasy tafalatsaka ao anaty fahantrana lalina hatramin’ny taona 2008 no mankaty. Izay no isan’ny nisongadina tamin’ny tatitra nataon’ny Banky Iraisam-pirenena mahakasika ny zava-misy ara-toe-karena sy ara-piaraha-monina eto madagasikara amin’izao fotoana izao. Nitotongana avokoa ireo tondra rehetra mahakasika ny fiainam-bahoaka teo anelanelan’io vanim-potoana io, raha araka ny filazan’ity tatitry ny Banky iraisam-pirenena ity ihany. Raha io elanelam-potoana io no resahana dia mazava loatra fa ny fotoana nitondran’ny filohan’ny tetezamita ny tany sy ny fanjakana izany. Izany hoe fotoana manandrify ny fanonganam-panjakana nahatonga izao tetezamita izao. Raha tsorina dia tondroin’ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena ho tompon’antoka amin’izao fahoriam-bahoaka izao ny mpitondra ny Tetezamita.
Mbola ity tatitra ity ihany koa no nanamarika fa i Madagasikara amin’izao fotoana izao no firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Satria na i Rwanda izay firenena rotiky ny ady an-trano aza dia efa nahitana fidinana 9% ny tahan’ny fahantrana any aminy amin’izao fotoana izao.
Ho an’I Madagasikara dia nihemotra any amin’ny taha mifanandrify amin’izay nisy tamin’ny taona 2002 ny fahafaha-mividin’ny vahoaka. Izany hoe nisy ny fandrosoan’ny firenena hatramin’ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2008 fa hatreo dia nihemotra lavitra indray izy.
Lafin-javatra vitsivitsy eo amin’ny fiainam-bahoaka no namaritan’ny Banky Iraisam-pirenena ny fisian’izay fitongonganan’ny fiainam-bahoaka eto Madagasikara izay. Isan’izany ny tsy fahafahan’ny firenena intsony miantoka ny fahamarinan-toeran’ny harinkarena izay tsy mitsaha-mitontongana amin’izao fotoana izao. Eo ihany koa ny fahapotehan’ireo fotodrafitr’asambahoaka: toy ny lalana sy ny hafa. Isan’izany ihany koa ny fitotongan’ny fahafahan’ny firenena miatrika ireny loza voajanahary toy ny rivo-doza sy ny valan’aretina ireny.
Nomarihan’ity tatitra momba ny teo-karena eto Madagasikara ity ihany koa fa tsy mbola azo antoka hatreto ny hisian’ny fivoarana ara-toe-karena eto amintsika. Ny fisian’ireo tetik’asa momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany no hany mety ho fanohitra amin’izany kanefa raha tsy misy ny fivoahana amin’ny krizy dia tsy hitondra vokan-tsoa eo amin’ny fiain’m-pirenena amin’ny ankapobeny izany.
Isan-telo volana no mamoaka tatitra momba an’i Madagasikara ny Banky iraisam-pirenana. Ity farany ity dia izay nivoaka amin’izao vola oktobra izao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.059