Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

Recherche Journal

Archive Samihafa

Hitory ny Zandary ny Fagnomba

20/03/2013

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka hoan’ny mpanao gazety izay nataony ny alatsinainy teo tao an-drenivohitry ny faritr’Anôsy no nanambaran’ny Filoha lefitry ny hetsika Fagnomba, Joel SEDERA sy ireo mpiaradia aminy mikasika ny hetsika hataon’ny fikambanana manoloana ny fisamborana izay nahazo ny mpikambana sasantsasany tao amin’izany fikambanana izany. Nohamafisina tao anatin’izany fihaonana tamin’ny mpanao gazety izany fa mitohy ny tolon’ny Fagnomba na mbola any am-ponja aza ny filoha mpitarika ny hetsika, Zafianadro Perle, sy ireo namany 20 mianadahy hafa. “Tsy hampihemotra ny fiitakiana efa natao tao anatin’ny efa-taona ny fanagadrana ireo namanay mba hanavotana ny faritra Anôsy sy ny vahoaka ao aminy”, hoy ny fanamarihana nataon’ny filoha lefitry ny fikambanana Fagnomba.

Notsiahiviny ihany koa fa hiady amin’ny famoretana ataon’ny solontenan’ny fitondrana FAT any an-toerana ka hanapepoana ireo mpitaky ny zon’ny mponina izy ireo. Tanjona amin’izany ny tsy hisian’ny zara mitanila eo amin’ny tombotsoa tokony ho azo amin’ny fisian’ny QMM. Eo ihany koa ny fitadiavam-baolana amin’ny fomba fiasan’ny QMM, ny fiadina ny tombotsan’ireo tanora tsy manana’asa sy ireo mpanjona ary ireo manan-tany nalain’ny tetik’asa fasimainty zay tsy mbola voavaha hatramin’izao ka miteraka olam-piarahamonina.
Tetika tsara rindra
Mahakasika ny fahavakisan’ny tranon’ny CENIT tany an-toerana dia nanamarika ny filoha lefitry ny Fagnomba fa tsy manana tombony amin’ny fanakana ny fifidianana tsy hisy any an-toerana izy ireo. Ho azy ireo dia tetika tsara rindra nentina nisamborana ireo mpitaky ny zony iny sarimihetsika. Ny ao amin’ny faritra ihany no tompon’antoka fa tsy ny fikambanana Fagnomba velively, hoy ny fanazavany.
Tsy eken’izy ireo, arak’izany ny herisetra natao tamin’ireo namany indrindra tamin’ny vehivavy iray mpiara-mitolona izay voa mafy ary tsaboina ao amin’ny C.H.R.R. Amboanato hatramin’izao vokatry ny daroka sy ny vono nahazo azy nataon’ireo zandary. Mbola nanampy trotraka ihany koa, hoy ity filoha lefitry ny Fagnomba ity, ny daroka sy vono an-karihary sy ny tsy fanajana ny zon’olom-belona nataon’ireo zandary raha nilahatra nitaky ny famoahana ireo namany tany am-ponja ireo mpikambana tao amin’ity fikambanana ity. Notsindriany fa maro amin’ireo mpikambana no naratra sy vaky loha vokatry ny zera vodibasy zay tsy tokony hiseho intsony amin’izao fotoana izao. Nanamafy i Joel Sedera fa hitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana izy ireo. Ny Hetsika Fagnomba izay hanao ny fivoriambeny atsy ho atsy. Tsy nihambahamba izy fa ny fanamafisana sy ho fanohizana ny tolona no anton’izay fivoriana izay.
Marihina fa efa nanomboka ny alatsinainy teo ny fakana am-bavany ireo lazaina fa mpanakorontana nampidirina any am-ponja ireto. Efa any an-toerana ihany koa ireo mpisolo vava mpiaro azy ireo. Etsy andanin’izan, ,manolona izao savorovoro any Faradofay izao, nanao ny fivoriany ireo foko maro manana havana notazonina any am-ponja. Anisan’izany ny foko Zafimarovola, foko niavian’ny filohan‘ny Fagnomba Zafinanadro Perle.Tao Sonierana tany niaviny no nanatontosana izany ny alahady teo. Tsy nisy nipika ny dinika.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...