04/04/2013
Taorian’ny Trano fitsaboana dia ny fiangonana indray izao no lasibatry ny halatra sy vaky trano izay mahazo vahana tanteraka eto an-drenivohitra. Arak any fantatra dia nisy naamaky indray ny fiangonana Loterana etsy amin’ny 67 ha ny alin’ny talata lasa teo.
Tsy nisy nahatsikaritra mihintsy ny fisian’izany vaky trano izany, araka ny loharanom-baovao raha tsy efa maraina ny andro. Fitaovana maro,toy ny fanamafisam-peo no lasan’ireo tamin’izao vaky trano izao. Izany hoe tamin’ny fotoana tokony hanatanterahana ny vavaka fanao isa-maraina vao tsikaritra fa nisy namaky ny fiangonana.
Efa mandray an-tanana ny fanadihadiana mikasika an’ity raharaha ity ny mpitandro filaminana. Fantatra, araka ny loharanom-baovao fa isan’ireo efa nanaovana fanadihadiana mikasika izany fahavakisan’ny Fiangonana izany ny tompon’andrikitra sasantsasany tao amin’izany fiangonana izany.
Lisim-pifidianana
Ho faranana vonjimaika
Amin’ny faha 7 avrily ho avy io no ho faranana vonjimaika ny fandrafetana ny lisim-pifidianana, arak any nambaran’ny CENI-T tamin’ny mpanao gazety omaly. Eny an’ivon’ny CED eny amin’ny distrika rehetra manerana ny nosy no hanatanterahana izany famaranana vonjimaika ny lisim-pifidianana izany. Hisy ny vaomiera manokana hatsangana eny amin’io sehatra io mba hanatanteraka izany famaranana vonjimaika ny lisim-pifidianana izany. Vaomiera izay ahitana izao mpikambana amin’ny CED sy mpikambana hafa toy ny solontenan’ny antoko na vondrona politika, eo ihany koa ny solontenan’ireo mpanara-maso nahazo alalana hanao izany. Aorian’ny famaranana ny lisim-pifidianana dia halefa eny anivon’ny fokontany ny lisim-pifidianana ary afaka manara-maso izany avokoa ny mpifidy rehetra. Afaka manao fitarainana ihany koa izy ireo raha manana tsikera momba ny lisim-pifidianana. Mandritra ny 20 andro no afahana manao izany eny anivon’ny fokontany.
Nandritra ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity ihany koa no nanambaran’ny filohan’ny CENIT fa mety handefa mpanara-maso fifidianana eto Madagasikara ny Vondrona Eropeana. Mety hanampy an’i Madagasikara amin’ny fifidianana ihany koa ny Afrikana Tatsimo, arak any filazan’ny filohan’ny CENIT ihany. Ny fanomezana helicopter no mety hataon’ity farany. Ankoatr’izany dia nambarany ihany koa fa efa feno tanteraka ary mety hihoatra ny ilaina aza ny vola hampiasaina amin’ny fikarakarana ny fifidianana.
CES
Hanao fihanianana
Androany no hanao ny fihanihanany ireo mpikambana ao amin’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana na ny CES (Cour électorale spéciale). Raha tsiahivina dia voafidin’ireo mpitsara namany tamin’ny volana oktobra tamin’ny taon-dasa ireo mpikambana miisa 8 ao anatin’ity fitsarana ity. Famoahana ny vokam-pifidianana ary fankatoavana na tsia ny falatsahanko-fidina ho an’ireo kandidà no isan’ny andraikitra hiantsoroan’izy ireo. Marihina fa ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana no filohan’ity ratsm-pitsarana ity.
Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...
Lire la suite
Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...
Lire la suite
Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ... Lire la suite
Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...
Lire la suite
Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...
Lire la suite
Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...
Lire la suite
Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ... Lire la suite
Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ... Lire la suite
Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ... Lire la suite
Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ... Lire la suite
Visiteurs
612.389