Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

Recherche Journal

Archive Samihafa

Nanala ny fitoriany ny fianankaviana Ramaroson

05/04/2013

Tsy mitory an’i Hajo Andrianainarivelo amin’ny raharaha nahafatesan’i Topokovavy Nadine Ramaroson intsony ny fianankavian’ity farany raha araka ny angom-baovao. Tsy sakana amin’ny filatsahan-ko fidina filoham-pirenena ho an’i Praiminisitra lefitra arak’izany iny raharaha nahavoaroiroy azy iny. Iray amin’ireo fototry ny ady hevitra taorian’ny fanambaran’ny Praiminisitra Lefitra Hajo Andrianainarivelo amin’ny filatsahany ho fidina filoham-pirenena ny nahavoatonontonona ny anarany tamin’ny raharaha nahafatesan’ny minisitra teo aloha Nadine Ramaroson.

Raha tsiahivina dia niteraka resabe teto amin’ny firenena tokoa iny raharaha iny, indrindra rehefa nametraka fitoriana an’ireo izay heveriny ho tompon’antoka tamin’izany ny fianankaviana Ramaroson. Amin’ny maha raharaha ady heloka bevava an’iny raharaha iny dia tsy vitsy ireo nihevitra fa mety ho lasa sakana ho an’ny filatsahan-ko fidina filoham-pirenena an’i Hajo Andrianainarivelo izany. Tsy mbola nanao fanambarana ôfisialy mikasika ny maha tsy misy tohiny an’ilay raharaham-pitsarana rahateo ny mpitsara izay nandray an-tanana izany. Mbola tsy nisy ihany koa, tetsy an-danin’izany ny didy nivoaka izay milaza fa afaka madiodio tamin’io raharaha io ireo notorian’ny fianankaviana Ramaroson. Ireo antony ireo ary no nahatonga ny mpanara-baovao sasantsasany hametram-panontaniana mikasika ny fahafahan’i Hajo Andrianainarivelo hilatsaka ho fidina ho filoham-pirenena.
Etsy an-danin’izany anefa, araka ny angom-baovao dia fantatra izao fa toa efa nanala ny fitoriana nataony an’i Hajo Andrianainarivelo teny amin’ny fitsarana ny fiankaviana Ramaroson. Raha atao amin’ny teny hafa, dia tsy mitombina intsony ny ahiahy ny amin’ny mety hisian’ny sakana amin’ny filatsahan-kofidin’ny praiminisitra lefitra miadidy ny Fanajariana ny tany raha ny mikasika an’ity raharaha Nadine Ramaroson ity no resahina.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...