31/10/2012
Tsy vitan’ny nifampiantsy intsony ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana, omaly teny Ankatso, fa tonga hatramin’ny fifandonana ny raharaha. Torabato no nentin’ireo mpianatra namely ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso nataon’ny mpitandro filaminana. Nisy ihany koa ny fifanenjehana hatrany amin’ny faritry ny anjerimanontolo. Vokany: mpianatra miisa 11 no voasambotry ny mpitandro filaminana. Miisa roa kosa ny naratra tamin’ireo mpitandro filaminana. Niatomboka tamin’ny fihetsikesehan’ny mpianatra izay nirotsaka teny amin’ny fiantsonan’ny taxibe teny Ankatso izany
rehetra izany. Hatsika izay fitakiana ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra sy ny fampitaovana azy ireo avy amin’ny fitondram-panjakana.Niafara tamin’ny fifandonana teo amin’ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpianatra avy eny Ankatso, omaly. Nivoaka ny faritry ny oniversité ireo mpianatra izay nanao fihetsiketsehana naneho ny fitakian’izy ireo ny vatsim-pianarany. Teny amin’ny faritra fiantsonan’ny Taxi be eny an-toerana no nanaovan’ireto mpianatra ireto ny hetsik’izy ireo. Tonga teny an-toerana ihany koa anefa ny mpitandro filaminana avy amin’ny Emmo-rég izay nandrava izany hetsika izany tamin’ny alalan’ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. Nisy arak’izany ny fanoherana nataon’ny mpianatra. Fanoherana tamin’ny alalan’ny tora-bato izay voalaza fa nandratrana mpitandro filaminana miisa roa. Raikitra avy eon y fifanenjehana izay nahatafiditra ireo mpitandro filaminana hatrany amin’ny faritry ny oniversité, nisambotra ireo mpianatra izay nambaran’izy ireo fa nitarika izany fifampitorahana izany. Mpianatra miisa 11 no voasambotr’ireo mpitandro filaminana nandritra izany fidirana hatrany amin’ny faritry ny oniversité izany. Ankoatry ny fisamborana ireo mpianatra dia tsy vitsy ihany koa ireo fiara nandalo teny amin’izany faritra izany nandritra ny fifandonana no voatoraka ka nisy ny vaky fitaratra. Nihitsoka nandritra ny fotoana maromaro ihany koa ny fifamoivoizana teny an-toerana nandritra ireo fotoana ireo.
Marihina fa nahabe resaka nandritra ity raharaha ity izay fidiran’ny mpitandro filaminana tany amin’ny faritry ny oniversité izay. Nambaran’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny anjerimanontolo fa tsy ara-dàlana izao fihetsiky ny mpitandro filaminana izao satria tsy misy afaka manala ny fahafaha-manao fihetsiketsehana an-kalalahana eny amin’ny faritry ny oniversité raha tsy ny filohan’ity toeram-pampianarana ity ihany. Tsy nanao izany anefa ity farany nandritra ity hetsika omaly ity. Tetsy an-danin’izany dian nilaza ny mpitarika ireo mpitandro filaminana fa andraikitr’izy ireo ny misambotra ny olon-dratsy, ary foana avy hatrany izany tsy fahafahana miditra any amin’ny faritry ny oniversité izany raha fanatra fa mihafina ao amin’io faritra io ilay olona tadiavina. Nomarihan’izy ireo fa fantany ary efa narahiny maso ireo mpianatra izay nitora-bato ny mpitandro filaminana ka izay no antony nidiran’izy ireo tany amin’ny faritry ny oniversité.
Tsara ny mampatsiahy fa ny fitakiana ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana no anton’ity hetsika nataon’ny mpianatra teny Ankatso ity. Araka ny nambaran’izy ireo dia tsy mbola nahazo vatsim-pianarana izy ireo hatramin’ny nanombohan’ny taom-pianarana. Nilaza ihany koa izy ireo fa hitohy ity fitakiana ity mandram-pazoana izany vatsim-pianarana izany. Marihina fa efa nisy ny hetsika fanairana izay nataon’ny mpianatra tamin’ny herinandro lasa teo. Hetsika izay nataon’izy ireo teo amin’io toerana io ihany ary noravan’ny mpitandro filaminana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.998