Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

Recherche Journal

Archive Samihafa

Maty naolan’ny lehilehy lehibe iray

19/04/2013

Nitrangana fanolanana zazavavy tsy ampy taona indray tany Toamasina, araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Mbola ny loharanom-baovao ihany no nanamarika fa nitarika tany amin’ny fahafatesan’ilay tovovavy kely mihintsy ny ratra nahazo azy vokatr’izany fanolanana nahazo azy izany. Araka ny fantatra dia ny fahaverezan-drà be loatra teo amin’ilay zazavavy vao 13 taona monja no natarika ny fahafatesany.

Araka ny fantatra dia lehilahy lehibe iray mipetraka tsy lavitra ny trano fonenan’ity zazavavy kely ity no nahavanona izao habibiana izao. Izany hoe fefy iray no misy ny trano fonenan’izy ireo. Matetika dia be olona ny tokontany be misy azy ireo, saingy tamin’ity fotoana nanolanany ity zazavavy ity dia tsy nisy afa-tsy izy sy ilay zazavavy 13 taona ihany no tao an-tanana ka nanamora ny fanaovany ny filan-dratsiny. Taorian’ny fanolanana nahazo ity zazavavy 13 taona ity dia avy hatrany dia nitranga ny fahaverezan-dra be nahazo azy noho ny faharovitan’ny fivaviany sy ny tany anatin’ny kibony vokatry ny fahamafisan’ny fanolanana nahazo azy. Ny fahatongavan’ny olona tao an-tanana no nitondra ilay zazavavy namonjy hopitaly be nefa efa tara loatra izany, ka maty vokatr’io fahaverezan-dra be io ilay zazavavy 13 taona.
Mahana ny zavatra nataony kosa ilay mpanolana ka lasa nandositra tsy hitan’ny fokonolona sy ray aman-drenin’ilay zazavavy. Arak’izany dia mbola hikarohana izy hatramin’izao hahafahana manao fanadiadiana amin’ny fampiakarana ny raharaha eny amin’ny fitsarana araka ny fitoriana efa nataon’ireo fianakavin’ilay zazavavy teny amin’ny mpitandro ny filaminana.
Taorian’ireo trangam-panolanana miisa dimy izay nitranga ny volana marsa lasa teo izay nahazo ireo zazavavy 08 taona ka hatramin’ny 14 taona, dia ity tranga iray ity indray no nisy tao Toamasina ny 15 aprily teo.

Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...