Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Manafika amam-basy ny gadran'i Tsiafahy sy Antanimora

03/11/2012

Nanao tohy vakana indray ny fanafihana mitam-basy tato anatin’ny iray volana. Fakàna an-keriny, fanafihana tokantrano sy tranombarotra. Lasibatra matetika koa anefa ny banky raha tsy hiresaka afatsy ny Acces Banque sy ny BOA Sabotsy namehana. Misy hitovizany avokoa anefa ireo tranga rehetra ireo ary eo amin’izany lafiny izay indrindra no mahalasa ny saina. Tsaroantsika tsara angamba ilay fakàna an-keriny teratany karana tany Toamasina ka nahatratrarana ilay gadran’i Tsiafahy antsoina hoe Rajaomaria na Diken Modéré, izay voaheloka higadra mandra-pahafatiny.

Navoaka ny fonjan’i Tsiafahy izy io ary nentina fiaramanidina nanatanteraka izany fakàna an-keriny tany Toamasina izany. Izao indray koa mbola gadran’i Tsiafahy hatrany ilay antsoina hoe Rasolo Stéphane, sarona tetsy Tsiadana ny alarobia faha-31 oktobra 2012, voatondro ho isan’ireo nanafika ny Acces banque teny Ankorondrano io andron’ny alarobia io ihany. Mbola gadran’i Tsiafahy hatrany koa no nanatanteraka ilay fakàna an-keriny teratany karana tany Fianarantsoa ny vola janoary 2011, ankoatra ireo izay mbola miriaria any anivon’ny fiaraha-monina any. Fehiny, mivoaka ny fonja manafika amam-basy ny gadran’i Tsiafahy ary tena loza mitatao ho an’ny firenena sy ny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny mihitsy izany trangan-javatra izany. Firaisana tsikombakomba amin’ny mpitantanana ny fonja sa baranahiny eo anivon’ny fonja?
Fanamiana mpiandry fonja
Isan’ireo jiolahy voarohirohy tamin’ilay fanafihana niharo vonoana olona telo teny Ivanja akaikin’ny TV Plus Rasolo Stéphane. Tadidin’ireo izay niharan’ny fanafihana hany sisa velona tamin’io fotoana io ny endriny ary nanao fanamiana mpiandry fonja izy nandritra izany. Ny pôlisim-pirenena moa no miantoka ny fanadihadiana manodidina iny fanafihana mitam-basy niharo vonoana olona iny. Sarona teny Tsiadana omaly maraina koa ny jiolahy iray antsoina hoe Rico, hita tany aminy ny karatr’ilay mpiambina fonja antsoina hoe Bruno izay efa voatàna ihany koa, ankoatra ireo ravim-bola 10.000 ariary miisa 77. Be loatra ny fifandrifian-javatra naha voatonontonona mpiandry fonja tamin’ity fanafihana ny Acces banque ity raha hatao hoe fifanidrifiana fotsiny ihany izany. Toa hoe misy tomponandraikitra iray izany aza nihaiky mihitsy fa namoaka an-dRasolo Stéphane, araka ny fanampim-baovao azon’ny mpanao gazety. Fanontaniana maro no mipetraka manodidina iny zava-nitranga tamin’ny alarobia lasa teo iny: fa nahoana no tsy nampilaza mialoha ny mpitandro filaminana tomponandraikitra voalohany amin’ny fisamborana olon-dratsy ireo mpiandry fonja nilaza ho nikasa hisambotra an-dRasolo Stéphane? Efa nanao fampilazana tany amin’ny mpitandro filaminana ara-potoana momba ny fandosiran-dRasolo Stéphane ve ny tomponandraikitry ny fonja satria ny mpitandro filaminana no tokony hiantefan’izany (destinatiare)?
Balan’ny zandary
Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany tsy handray gadra avy eny amin’ny Fampanoavana ary tsy nandray mpamangy ny mpiandry fonja ny alakamisy 1 novambra 2012 rehefa nandre fa notànan’ny mpitandro filaminana avokoa ireo mpiandry fonja miisa sivy niampy ny talem-paritry ny fonja. Ho azy ireo mantsy dia teo am-panaovana ny asany ny mpiandry fonja no nosamborin’ny Emmo. Voalaza tokoa mantsy fa nanara-dia an-dRasolo Stéphane ilay gadra nitsoaka ny fonjan’i Tsiafahy ireo mpiandry fonja nanao fanamiana sivily tamin’io andro io ary dia nihafara tamin’ny fisamborana ilay jiolahy izay nitifitra avy hatrany ka nahavoa ny iray tamin’ireo mpiandry fonja izay tsaboina etsy amin’ny HOMI. Raha izay tokoa ny fipetraky ny raharaha dia tsy mitombona velively ny fisamborana sy ny fitànan’ny mpitandro filaminana azy ireo. Saingy, toa misy feo hafa koa anefa re teny amin’ireo olona monina eny Tsiadana. Toa hoe nizara vola Rasolo Stéphane sy ny lehilahy iray; tsy nifanaraka teo amin’ny fifampizarana anefa izy ireo ka dia raikitra ny fifamaliana sy ny fifandrorohitana izay nihafara tamin’ny fifampitifirana. Tsy iza anefa io lehilahy iray nifamaly sy niady tamin-dRasolo Stéphane io fa mpiandry fonja. Tsy nifanaraka tamin’ny fizarana ny “haza” ary ve izany izy ireto? Ny fanontaniana manaraka ankoatra ireo rehetra ireo dia ny hoe: avy taiza ireo balan’ny zandarimaria tratra tany amin’ilay jiolahy? Sanatria ve lasa fikambanan-jiolahy mihitsy ny sasan-tsasany amin’ireo mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana eto amintsika?

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...