Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mbola tsy miainga ny ankamaroany

05/11/2012

Herinandro roa mahery izay no lasa taorian’ny fandalovan’ny delegasiona notarihan ‘ny filohan’ny Tetezamita tany Toamasina ary nanaovana lanonana fanombohana ny asa fanarenana samihafa izay kasaina hatao ao amin’ity renivohitry ny faritra Antsinanana ity. Hatramin’izao fotoana izao anefa dia tsy hita taratra akory na dia ny fanombohan’ny ankamaroan’ny asa izay nofaritana fa hatao. Isan’izany ny lalam-pirenena faha 5 izay nanaovana lanonambe teo Ambalamanasy. Hatreto dia mbola tsy nisy na dia fandrefesana izany lalana izany kanefa afaka efatra andro dia ho tonga any

fanombohan’ny taom-pihotazana ny lôdsia izay hanomboka ny 10 novambra izao ny “primeur”.Manahy mafy ny mponina any amin’iny faritra Antsinanana sy any an-tampon-tananan’i Toamasina iny fa ndrao lasa ronono an-tavy fotsiny, toy izay efa nisy hatramin’ny fanambarana teny amin’ny kianjan’ny 13 tamin’ny taona 2009 ireo fampanantenana mahakasika ny fanarenana kasaina hatao ao amin’ity tanana ity. Hatreto tokoan dia tsy hita taratra ny fanombohan’ireo asa sasantsasany nampanantenain’ny filohan’ny tetezamita fony ity nandalo tany an-toerana, roa herinandro mahery izay. Isan’ireo asa maika nolazainy fa hatao ny fanarenana ny lalam-pirenena faha 5 mampitohy an’i Mahavelona Foulpointe sy Toamasina. Ny orin’asa Mainland Mining no voalaza fa hiantoka ny vola nanatenterahana ny asa, ary mbola ity orin’asa ity ihany koa no hisafidy ny orin’asa hanatanteraka ny asa. Hatramin’izao dia tsy mbola hita taratra ny fanombohan’izany asa izany. Marihina fa ny fiatrehana ny taom-pihotazana ny lôdsia no mahazava-dehibe ny fahavitan’ity ampahan-dàlana ity. Ny taom-pihotazana ity vokatra fanondrana ity hanomboka amin’ny 10 novambra izao araka ny nambaran’ny filohan’ny vondron’ny mpanondrana lôdsia Malagasy (GEL), Rafidimanana Narison, satria hanomboka amin’io daty io ny fanondranana ity vokatra ity amin’ny alalan’ny fiaramanidina. Io ilay fantatra amin’ny hoe “primeur”. Hanomboka ny 15 ka hatramin’ny 17 novambra kosa ny fanondranana amin’ny alalan’ny sambo.
Tsy mifanalavitra amin’izay ihany koa ny momba ny fanarenana ny lalana Boulevard Ratsimilaho. 10 andro lasa izay dia natomboka tamin’ny fitrongisana ny ampahany tamin’izany lalana izany ny asa fanarenana nokasaina hatao. Niato anefa izany amin’izao fotoana izao. Marihana fa ny orin’asa Smatp no nahazo ny asa ary ny Spat no voalaza fa hanome ny vola hanamboarana azy.
Mbola tsy nanomboka ihany koa ny asa fanarenana ny Boulevard Joffre, na dia efa nisy aza ny fandrefesana izany lalana izany. Ny orin’asa Colas no voalaza fa nahazo ny asa fanarenana hatao amin’ity ampahan-dàlana ity, ary mbola ny Spat ihany koa no hiantoka ny vola lany. Ny loharanom-baovao no milaza fa mbola tsy nanome ny vola ho an’ireo orin’asa ireo hatramin’izao ny Spat.
Ny hany hita fa efa mandeha amin’izao fotoana izao dia ny fanarenana ny lalana Tanamakoa hatreo amin’ny ‘pont district”. Mbola ny orinasa Smatp ihany no miantoka ny fanamboarana izany ary ny Spat no mpamatsy vola. Hatreto dia ny fitrongisana ny arabe sy ny fanamboarana ny sisin-dàlana no efa nataon’ny orin’asa. Mbola tsy tody any amin’ny 1 km sy 200 m izay nokendrena hatao anefa izany fitrongisana izany hatramin’izao. Izany hoe miadana dia miadana ny fanatanterahana ny asa.

Tsara ihany koa ny manamarika fa mety hiteraka korontana ny fanombohana ny fanarenana ireo bazary any Toamasina araka ny fampanantenan’ny filohan’ny tetezamita. Mametraka olana manoloana izany ireo mpivarotra ao amin’ireo bazary ireo satria fotoana fanararaotan’izy ireo amin’ny varotra ataony izao fotoana mialoha ny fetin’ny krismasy sy taom-baovao izao. Arak’izany dia tsy misy mivonona ny hoala amin’ny toerany izy ireo hatramin’izao na dia efa nomena 15 andro nahafahany nanao izany aza. Torak’izany ihany koa ny momba ireo mpivarotra ao amin’ny “Esplanade” Bazary kely izay nifanangona sonia mihintsy ny samy mpivarotra mba tsy ho kitihina aloha ny tsenan’izy ireo satria mba fotoana fitadiavana ho azy ireo ny fanomanana ny faran’ny taona toy izao. Voatery nandray fepetra noho izany ny tompon’andraikitry ny asa, ka ilay tsena mitafo ao ihany no hasiam-panarenana sy hamboarina ny eo anoloany.
Mitombina arak’izany rehetra izany ny ahiahin’ny maro manoloana ireny fampanantenana nataon’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny fandalovany tany Toamasina ireny. Fampanantenana izay natao hambabona ny fon’ny vahoaka fotsiny fa mety tsy hitondra vaha-olana maharitra ho azy ireo akory. Ahiana mafy mihintsy azan y tsy ahavitan’ny asa ara-potoana ho an’ireo mbola tsy nanomboka.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...