Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.
Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Samihafa

Vaky ny adin’ny samy mpivarotra

15/05/2013

Nentina teo anatrehan’ny filankevitry ny tananan’I Toamasina ny famahana ny disadisa misy eo amin’ireo samy mpivarotra ao amin’ny Bazaribe any Toamasina. Ny fanesorana ireo komity am-perin’asa izay voalaza fa efa tapitra ny fe-potoana hiasany no votoatin’ny fitakian’ireo mpivarotra. Tondroin’izy ireo no mamarotra an-tsokosoko ireo toerana amin’ny faritra fivarotana samihafa any an-toerana ireto komity lany daty ireto. Mbola tsy nahita vahaolana maharitra ny rehetra nandritra ny fampihaonana nataon’ny filankevitry ny tanana omaly. Tsy mifampatoky intsony ny samy mpivarotra ao amin’ny Bazaribe Toamasina. Tsy atokisan’ny ankamaroan’ny mpivarotra ihany koa ny komity mpitantana ny fikambanamben’izy ireo amin ‘izao fotoana izao izay tondroin’izy ireo ho mpitantana lany daty satria efa tapitra ny fe-potoana iasany.

Araka ny loharanom-baovao avy amin’ireo mpivarotra ihany dia mandeha ny resaka amin’izao fotoana izao fa misy mivarotra amin’ny vidiny iray tapitrisa ariary ny toerana amoron-dalana amin’ny tsena nafindra ho an’ireo mpivarotra vaovao. Misy ihany koa ny milaza fa efa misy mibizina amin’ny sanda 10 tapitrisa ariary ny toerana efa voafaritra ho an’ireo mpivarotra nafindra amin’ny tsena vaovao. Marihina fa mbola eo an-dalam-panamboarana ity tsena vaova ity ny orinasa Ambatovy amin’izao fotoana izao. Ankoatr’ireo tsahon-dresaka ireo dia tsy mahatoky ny fanisana ireo tena mpivarotra marina ao amin’ny Bazaribe ny mpivarotra sasany. Raha araka ny nambaran’ireto farany, tamin’ny alalan’ny fanadihadiana tsotsotra nataon’izy tao anivon’ny mpivarotra “arts Malagasy” sy ny rary niisa 100 teo ho eo, dia nahatratra 24 no hitan’izy ireo fa tsy ara-dalana sy vaovao.

Fanisana vaovao

Ireo rehetra ireo no fototry ny disadisa eo amin’ny samy mpivarotra ao amin’ny Bazaribe Toamasina ka tafapaka eny anivon’ny fiadidiana ny tanana ny raharaha hatry ny omaly. Nisy arak’izany ny fampifanatrehana ireo mpivarotra izay tezitra amin’ireo komity mpitantana izay kilasian’izy ireo ho lany daty araka ny efa nambara tetsy aloha. Ny filankevitra kominaly notarihan’ny filohany, Randria Jean Baptiste kosa no nanelanelana ny disadisa.
“Efa ‘lany daty’ ny komity mitantanana ny fikambananay, ka ilainay ny hamerenana ny fahefana aminay mpivarotra maro an’isa, ka hatsangana ny ‘comite ad-hoc’ izay ahitana solon-tena roa isaky ny vondrona 24 misy ao aminay mpivarotra, izay hisian’ny firaha-mitantanana hamaritra ny fitantanana ny fikambanana sy ny momba ny fifindrana eny amin’ny tsena vaovao ary ny fanomanana ny fifidianana ireo komity vaovao hitantanana ny fikambananay”, hoy ny antsoantson’ireo mpivarotra izay maro an’isa tamin’ity fihaonana ity. Ny filohan’ny filan-kevitra tanana kosa dia nanamafy fa tsy misy ny vahaolana atolotr’izy ireo ho an’ireo mpivarotra satria fikambanana mahaleo tena no ivondronany ka anjaran’izy ireo samy izy ihany no mifandamina. Nambarany kosa anefa fa afaka manome tanana azy ireo amin’ny fanavaozana ny fikambanana ny fiadidiana ny tanana. Marihina fa naharitra ora iray sy sasany be izao ny fifanazavan-kevitra tao amin’ny filankevitra kaominaly omaly.
Araka ny fanampahan-kevitry ny fiadidiana ny tanana dia hanao fanisana vaovao ireo mpivarotra ny kaominina, hisorohana ny sakoroka mety hitranga raha tsy milamina dien’izao ity disadisa ity. Ankoatr’izay dia nametraka hafatra ho an’ireto mpivarotra ao Bazary be ihany koa ny filohan’ny filankevitry ny tanana. “Mila mifampihaino, mifampatoky, manaja ny lalana ianareo dia milamina izao olananareo izao”, hoy ny fanazavany.

A.Ranaivo
Tag :

Rehefa tsy hita nandritra ny telo andro, raha niala ny tranony I Rakotovao Rakotoson na I Saonina , monina ao ilanivato Anosipatrana ny marainan’ny asabotsy lasa teo araka ny nambaran’ny fianakaviany, dia ny fatiny no hita nanamo ...

Notanterahana ny tolakandron’ny alakamisy 12 septambra teo, tao amin’ny efitrano fivorian’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka Anosy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Polisim-pirenena Malagasy sy ny Komity iraisam-pirenen ...

Nanatanteraka atrik’asa omaly tolakandro tetsy amin’ny foiben’ny « Pacte » na vondrona manohana ny fifidianana amin’ny mangarahara izay etsy Ankorondrano, niarahana tamin’ny KMF CNOE na ny komity misahana ny fifidiana ...

Nivoaka tamin’ny fahanginany avokoa ireo kandidà nahiliky ny CES tsy ho isan’ireo mpihazakazaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena kasaina hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013 ho avy izao. Fotoana fohy taorian’ny namoahan’n ...

Naneho ny heviny momba ny fazoan’ny banky iray any Maorisy ny petra-bola 51% ao amin’ny banky BNI eto Madagasikara i Serge Zafimahova. Araka ny heviny dia fivarota-tanindrazana no nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ny na ...

Teratany maorisiana ny iray ary Indiana ny faharoa, Malagasy kosa ny fahatelo. Izy telolahy ireo no indray nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Polisim-pirenena ao Tsaralalana noho izy ireo voaroiroy amin’ny fampiasan ...

Raha ny fantatra dia voalaza fa efa tonga tao amin’ny tahirim-bolam-panjaka tao Antsirabe ireo vola karaman’ireo sefo fokontany. ...

Tonga eto Antananarivo, ary nanao fanambarana an-gazety ireo mpikambana ao amin’ny « Plateforme du Grand Melaky”. ...

Misedra olana indray amin’izao fotoana ireo mpandeha fiarakodia amin’iny lalam-pirenena faha-12A izay mampitohy an’i Tôlagnaro sy Vangaindrano iny. Izany dia vokatry ny fanararaotana ataon’ireo mpamily « bac » ia ...

Tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety no nanambaran’I Rajosefa Andriantahina Haja tale iraisam-paritry ny Fiompiana any Toamasina fa tsy misy atahorana ny trondro izay amidy eny amin’ireo toerana nahazo alalana a ...