06/11/2012
Vitsy dia vitsy ireo taxi be nanatanteraka ny asany nandritra ny andron’ny omaly. Nanahirana arak’izany ny fandehanana namonjy ireo asa aman-draharaha fanao an-davan’andro. Tetsy an-danin’izany, tsy nanan-tsafidy ihany koa ireo mpanjifa fa tsy maintsy nandoha ilay saram-pitaterana izay vao avy nakarin’ny mpitatitra, satria samy nampihantra izany avokoa ny ankamaroan’ireo taxi be niasa omaly. Tsy ahitan-dresaka kosa anefa ny fitondram-panjakana manoloana izany rehetra izany. Tsy nanan-tsafidy intsony ireo mpanjifa teto Antananarivo nohon’ny afitsok’ireo mpitatitra izay azo lazaina fa manao izay tiany atao amin’izao fotoana izao.
Raha ny zava-nitranga omaly no resahana dia isan’ny nanamarika izany ny fahavitsian’ireo taxi be izay nanao ny asany teto an-drenivohitra. Vokatr’izany dia sarotra tokoa, ho an’ny be sy ny maro, ny nandeha nihazo ny toeram-piasana sy ny asa aman-draharaha an-davanandro. Marihana anefa fa isan’ny voafaritra ao anatin’ny bokin’nandrikitr’ireny fiara mpitatitra an-drenivohitra ireny ny manatanteraka izany asany izany an-tsakany sy an-davany mba tsy hisian’ny fiantraikan’izany amin’ny fiainan’ny hafa.
Ankoatr’izay dia hita taratra ihany koa fa samy nampihantra ilay fampakarana ny saran-dalana ho 400 ariary avokoa ny ankamaroan’’ireo fiara mpitatitra izay niasa omaly. Izany hoe tsy nisy nihaino ny fitarain’ny mpanjifa ny ankamaroan’izy ireo. Ny mpanjifa izay tsy nanan-tsafidy ihany koa satria voatery nanaiky ny sitra-pon’ireo mpitatitra.
Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny tsy fahitana mihintsy ny hetsiky ny fitondram-panjakana. Hatramin’izao tokoa dia tsy nisy afa-tsy ilay fampitandremana nataon’ny ministeran’ny fitaterana manoloana ny fikasan’ny mpitatitra hampakatra ny saram-pitaterana no hany mba nataon’ny fanjakana. Ankoatr’izay dia tsy nahitana hetsika intsony avy amin’izy ireo. Zava-misy izay toa midika fa mankasitraka an’izao fampakarana ny saram-pitateranaa izao izy ireo, na koa miraviravy tanana manoloana ny fihetsiky ny mpitatitra.
Marihina fa tsy nahita vahaolana tamin’ny fampakarana ny vidin-tsolika ihany koa hatramin’izao ny mpitondra fanjakana. Vokany: tsy nihemotra tamin’ny fanampahan-kevitra izay nataony ireo kompanian-tsolika eto amintsika.
Sarotra dia sarotra arak’izany ny hanantena ny fandraisan’andraikitr’izao fitondram-panjakana izao manoloana ny fahorim-bahoaka sy ny fasahiranana izay manjo ny be sy ny maro noho ireo fiakatry ny vidim-piainana ireo.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.180