06/11/2012
Notapahan’ny mpitandro filaminana ny lalana manodidina ny trano nisy ilay mpandraharaha Sri Lankais tao Ambatondrazaka ny Asabotsy tolakandro lasa teo. Nosamborin’izy ireo ny alin’iny ihany ity teratany vahiny mpividy safira ity sy ny vady aman-janany. Tsy fangtatra kosa ny toerana nitondrana azy. Ny mpitandro filaminana iray tany an-toerana no nanazava fa disadisa nateraky ny fivarotana safira 32 g izay lasan’ity mpandraharaha vahiny ity no anton’ireo rehetra ireo. Mbola voaporofo indray arak’izany fa tsy marina ny filazana fa efa foana ny fitrandrahana safira any Didy. Voaporofo ihany koa fa ireo mpitrandraka madinika no noroahina tao amin’ity toerana ity, fa mbola manao izay danin’ny kibony kosa ireo mpitrandraka vaventy miaraka amin’ireo mpitandro filaminana miaro azy ireo.
Nihorohoro ny mponina manodidina ny lalana mihazo ny Pharmacie Odin’Alaotra sy ny tranombarotra Lambamihaja, samy ao an-tampon-tananan’Ambatondrazaka ny asabotsy lasa teo, nanomboka ny tolak’andro. Nobahanan’ny mpitandro filaminana notarihana manamboninahitra iray avy aty Antananarivo ireo lalana ireo nandritra izany fotoana izany. Niditra tao amin’ny trano nisy ilay mpandraharaha Sri Lankais iray kosa ilay manamboninahitra izay nitarika ireto mpitandro filaminana ireto, ary maromaro ny fivezivezena nataony tao amin’ity trano ity mandram-paharivan’ny andro. Niafara tamin’ny fitondrana ilay mpandraharaha Sri lankais sy ny vady aman-janany moa izany rehetra izany rehefa maizina ny andro.
Marihina fa nanana mpitandro filaminana niambina azy ihany koa ity teratany vahiny ity saingy tsy afa-nanao n’inon’inona izany nanoloana ilay hetsika nisamborana azy tamin’io fotoana io. Ny vaovao teny an’ivon’ny mpitandro filaminana no nilaza fa tsy raharaha mahakasika safira milanja 20 g no anton’izany rehetra izany. Voalazan’ity loharanom-baovao ity fa mpandraharaha iray efa fanta-daza hatrany Ilakaka no tsy faly tamin’ny nazoan’ity teratany Sri lankais ity an’ilay safira 32 g. Io mpividy vato Malagasy io no nanao izay ho afany ka nahatonga an’ireo mpitandro filaminana avy aty Antananarivo nanao ilay « operation » nisamborana ilay teratany Sri lankais. Tetsy an-danin’izay dia efa nisy manamboninahitra ihany koa efa nanome mpitandro filaminana niaro ity teratany vahiny ity saingy tsy afa-nanao n’inon’inona moa ireto farany rehafa tonga tany Ambatondrazaka ireo mpitandro filaminana voalaza tetsy aloha.
Ity raharaha nitranga tany Ambatondrazaka ity no ahafahana milaza mazava fa tsy mbola foana akory ny fitrandrahana safira any amin’ny kaomina Didy, na dia teo aza ny hetsika izay nanesorana ireo mpitrandraka tany an-toerana. Mitombina arak’izany ny filazana fa ireo mpitrandraka madinika ihany no voaroaka tany Didy fa nandimby azy ireo any an-toerana kosa ireo mpitrandraka vaventy tohanan’ireo mpitandro filaminana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.315