Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nilahatra teo anoloan’ny Ocean Trade ireo mpandova

07/11/2012

Nidina an-dalambe nilanja sora-baventy teo anoloan’ny orinasa Ocean Trade etsy Andraharo ny teraky Razafimahefa sy Razafitsara, mpandova ny tany mitondra ny titra n°6336-B eny Antanandrano, nangataka tamin’ny tale jeneralin’ny Ocean Trade Amine Hiridjee sy ny rahalahiny tompon’ny Telma Hassanein Hiridjee, ny taratasy nividianan’ireto teratany karana ireto ny tany mirefy 30 Ha, araka ny resaka nataon’ireto mpandova tamin’ny mpanao gazety sady voasoratra teny amin’ireo sorabaventy maro. Nambaran’ireto mpandova ireto fa tsy hanaiky ny hanomezana ny

taniny izay misy ny fasan-drazany amin’ny vahiny mihitsy izy ireo ary tsy hitsahatra intsony ny hetsika fitakiana, hoy ihany izy ireo.Nalain’ny fanjakana mpanjanaka (Frantsay) ny tany mitondra ny titra 6336-B ny taona 1954 araka ny didim-panjakana n° 039-RGR/CG tamin’ny 1 febroary 1954, hita ao amin’ny gazetim-panjakana nivoaka tamin’ny 27 marsa 1954 pejy faha-736 sy 737. Nanao fangatahana famerenana ny tany ireo mpandova ny 24 aprily 2003 (AFF 17-T/03-DD-F) ary nanao fanohanana ny fikasan’ny Telma hamefy izany tany izany ny volana aogositra 2003. Tsy isan’ny tany voakasiky ny fisintahan’ny fanjakana tamin’ny Telecom Malagasy io tany io hoy hatrany ireo mpandova. Ireto avy ireo tany voakasiky ny fisintahana araka ny fanazavana nomen’izy ireo ary azo hamarinina izany : 52540-A Ambatomena, 52541-A Analakely, 52542-A Behoririka, 52543-AIvandry, 52544-A Ambohimitsimbina, 52545-A Ambondrona, 52553-A Ampasampito.
Nandefa taratasy ho an’ny mpandova ny Telecom Malagasy (n°62/MPTC/CAB tamin’ny 9 aprily 2004) nilaza fa tsy misakana ny famerenana ny tany ; fantatry ny tomponandraikitra rahateo koa fa tsy isan’ny tany voakasiky ny fisintahan’ny fanjakana ny titra 6336-B, hoy ihany izy ireo. Niakatra teny amin’ny Fitsarana mihitsy ny raharaha taorian’izany. Nivoaka anefa ny didy hitsivolana n°1382 tamin’ny 11 febroary 2005 izay nanome alàlana ny famerenana ny tany amin’ny mpandova. Nanao fanohanana izany ny Telma ary dia nitohy ny raharaham-pitsarana. Nivoaka indray ny didim-pitsarana laharana n°64 tamin’ny 21 aprily 2006 izay nanome fahefana feno ny mpandova. Gaga anefa ireo mpandova rehefa ndeha haka ny « grosse », araka ny fanazavana nomen’izy ireo niaraka tamin’ny porofo fa sora-tanana tamin’ny stylo nataon’ny PPCS tamin’izany fotoana fotsiny dia ampy nilazana fa ny Telma no nandresy.
Nangataka ny hanaovana ny antsoina hoe PIL ny mpandova mba hikarohana ny marina mikasika ity raharaha ity saingy tsy nahita rirany ; noraisin’ny Fitsarana avy hatrany kosa rehefa ny Telma no nangataka izany, araka ny fanazavana nomen’ny mpandova hatrany. Very fanahy mbola velona ireo mpandova eo anatrehan’izao “gymnastique” ataon���ny Fitsarana izao izy ireo koa nandray iny fanapahan-kevitra nidina an-dalambe omaly iny ary nilaza fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ny hanomezana ny tany amin’ny Telma na oviana.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...