08/11/2012
Noraisin’ny minisitry ny Fitaterana, Ramanantsoa Benjamina, nihaona taminy, omaly ireo mpitarika ny tambajotran’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa na ny RNDC, notarihan’ny filohany Rakotorova Rabetsara Lita. Araka ny nambaran’ireto farany dia nampanantena azy ireo ny hitondra vahaolana tsy ho ela mikasika izao foakatry ny saram-pitaterana eto andrenivohitra izao ny minisitra.Nanaiky ny handray ireo mpitarika ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa
izay mivondrona ao amin’ny tambajotra RNDC, omaly ny minisitry ny Fitaterana, Ramanantsoa Benjamina izay nontronin’ny tale jeneralin’ny ministera ary ny mpiara-miasa akaiky aminy. Mazava loatra fa nohon’ny fangatahan’ireo mpitarika ity fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ity, manoloana ny fiakatry ny saran-dalana amin’izao fotoana izao no anton’izany fihaonana izany. Nambaran’i Rakotorova Rabetsara, filohan’ny RNDC fa dinika ala-nenina ity fihaonana nataon’izy ireo tamin’ny minisitry ny Fitaterana izao, mba ialana amin’ny fifanomezan-tsiny eo anatrehan’izay mety hiseho nohon’ny tsy fisian’ny fandraisan’andraikitra manoloana ny fampakaran’ny mpitatitra ny saram-pitaterana eto an-drenivohitra.
Araka ny tatitra nataon’ireo mpikambana ao amin’ny RNDC dia nizotra tao anatin’ny firahalahiana tanteraka ny dinika teo amin’izy ireo sy ny minisitry ny Fitaterana. Soso-kevitra maro, hoy izy ireo, no natolotra ny minisitra mba hialana amin’ity fampakaran’ny mpitatitra ny saran-dàlana ity. Isan’izany ny amin’ny tokony hametrahana zotra vaovao hifaninana amin’ireo zotra efa misy amin’izao fotoana izao satria iray amin’ireo zo fototra ananan’ny mpanjifa ny fahafahana misafidy ny vokatra ho jifainy. Marihana anefa fa tokony ho 300 ariary ny saram-pitaterana amin’ireo zotra vaovao ireo. Ankoatr’izay dia isan’ny soso-kevitra naroson’ireo mpitarika ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ihany koa ny hamoahan’ny ministera fiantsoana ireo izay manana fiarakodia ka hanomezana alalana azy ireo hanao ny asa fitaterana an-drenivohitra, raha liana amin’izany izy ireo. Ny tanjona dia ny mba hisian’ny mpifaninana maro amin’ireo mpitatitra efa manao izany asa izany amin’izao fotoana izao.
Marihana far aha araka ny nambaran’i Rakotorova Rabetsara dia nankatoavin’ny minisitra ireo soso-kevitra naroson’ny RNDC ireo. Nanambara, hoy izy, ny minisitra fa handray fanampahan-kevitra haingana dia haingana mba hitondrana vaha-olana amin’ity raharaha fiakaran’ny saram-pitaterana ity.
Nanamarika ihany koa, tetsy an-danin’izany, ireo mpitarika ny RNDC fa tsy hijanona amin’ny fitakiana manandrify ny saran-dalana fotsiny ihany izao hetsika ataon’izy ireo izao. Mbola isan’ny tsy maintsy himasoana ihany koa, hoy izy ireo lafin-javatra hafa izay mampijaly ny vahoaka amin’izao fotoana izao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.185