08/11/2012
Nampahafantatra ny vokatry ny fihaonamben’ny Synad (Syndicat des administrateurs civils) izay natao tany Toliary ny 27 sy 28 septembra 2012 ny mpitarika izany fikambanana izany. Nambaran’izy ireo fa ankoatry ny raharaha anatin’ny sendika dia isan’ny votoatin’ny fihaonambe ny firesahana ny zava-misy amin’izao fotoana izao eto amin’ny firenena indrindra ny tsy fandriam-pahalemana any antsimo.
Fantatra ary fa handroso volavolan-dalàana ho fanovana ny sata mifehy azy ireo administrateurs civils. Hiompana indrindra amin’ny fanatsarana ny asan’izy ireo izany fanovana tian’izy ireo apetraka izany. Mitaky ny tsy handraisana mpiasam-panjakana afa-tsy ireo izay nahavita fihofanana avy amin’ny ENAM ihany koa ireo mpivory.
Momba izay raharaham-pirenena sy ny faharetan’ny krizy dia nambaran’i Rakotonarivo Thierry, filohan’ny Synad fa ny mpanao politika no sakana amin’izany fa tsy ny mpiasam-panjakana. Nambarany ihany koa fa niaiky ireo mpandray anjara tamin’ny fivoriana fa lesoka lehibe eto amin’ny firenena ary antony mahatonga ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana ny tsy fanajana ny lalana sy ny rafitra misy eto Madagasikara . Nambaran’izy ireo ihany koa fa ny fanatanterahana ny fifidianana irery ihany no hany lalana ahafahana miala amin’izao krizy izao. Naneho ny fahavononan’izy ireo hanampy ny Vaomiera maheleotena momba ny fifidianana na ny CENIT amin’ny fanatanterahana ny fifidianana izy ireo. Nasongadinan’ny fanampahan-kevitry ny fihaonamben’ny administrateurs civils anefa fa mila fanarenana hatrany ifotony mihintsy ny firenena amin’izao fotoana izao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.982