09/11/2012
Re koa izao fa hiatrika fakàna am-bavany eny amin’ny sampan-draharaha misahana ady heloka be vava etsy Fiadanana ny mambra ny CST sady filohan’ny fiarovana eo anivon’izany andrim-panjakana izany, Alain Ramaroson. Androany amin’ny valo ora sy sasany maraina ny tenany no voatondro hiatrika izany fakàna am-bavany azy izany, araka ny fanampim-baovao azo. Tsy mbola tena fantatra mazava kosa anefa ny heloka hiampangana azy amin’izany raharaha izany. Heverin’ny mpanara-baovao fa mety ho tohin’ilay fanambarana nataony tany an-tranony mikasika ny
nahafatesan’ny ministry ny Mponina teo aloha, Nadine Ramaroson. Nihazakazaka tokoa mantsy ny raharaha taorian’izany ampamoaka nataony izany ka nihafara tamin’ny fanesorana ireo miaramila sy zandary teo am-pelatanany. Nilaza ho tsy hihemotra hatramin’ny farany kosa anefa ity mambra ao amin’ny Filan-kevitra ambonin’ny Tetezamita ity, nandritra izay fotoana niresahany ny raharaha Nadine Ramaroson izay.Fa mbola manodidina raharaham-pitsarana ihany, fantatra koa izao fa hiverina hiatrika fitsarana tsy ho ela koa ny ministry ny Jono teo aloha, Alain Andriamiseza. Ao amin’ny efitrano faha-efatra etsy amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy no hanatanterahana izany. Ady heloka be vava mazàna no raharaha tsaraina ao amin’ity efitrano ity. Efa nahazo famotsoran-keloka tamin’ireo fiampangana nanenjehana azy niaraka tamin’ny Rév Ndriamanampy ihany anefa ny tenany teo aloha. Inona indray araka izany ity fiantsoana azy hiatrika fotoam-pitsarana manaraka ity?
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.999