Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nidinan’ny Amnesty International ny minisitry ny Serasera

10/11/2012

Nandritra ny fihaonana teo amin’ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny fandaharan’asan’ny Amnesty International aty Afrika sy ny minisitry ny Serasera no nanambaran’ny vahiny ny ahiahin’izy ireo manoloana ny zava-misy eto Madagasikara mahakasika ny raharaha vono olona any Atsimo sy ny fanagiazana ny fanaovan-gazety sy ny serasera. Nitondra fanazavana tamin’ireo teboka mahakasika ny andraikitry ny Fitondram-panjakana manoloana ireo tranga ireo kosa ny minisitry ny Serasera ary niantso ity vahiny mba hijery ifotony ny tena zava-misy any atsimo. Namafisin’ny

vahiny kosa fa tsy maintsy atao vandohan-draharaha hatrany ny fanajana ny zon’olombelona, n’inon’inona antony.Nangataka fihaonana ary noraisin’ny minisitry ny Serasera Harry Laurent Rahajason nihaona taminy tao amin’ny toeram-piasany teny Ampasanimalo, omaly ny mpikaroka avy ao amin’ny fandaharan’asan’ny Amnesty International aty Afrika, Christian MUKOSA. Niompana tamin’ny fahitan’ny vahiny ny zava-misy eto Madagasikara manodidina ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny falalahana maneho hevitra ary ny vono olona any atsimo ny resaky ny roa tonta. Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Serasera fa nafana tokoa ny ady hevitry teo amin’ny andaniny sy ny an-kilany nandritra izany fihaonana izany. Notsipihan’ity tompon’nandrikitra avy ao amin’ny Amnesty International aty Afrika ity manaiky ny fisian’ny fasarotana atrehan’ny fitondram-panjakana amin’ny fanatontosana ny asany amin ‘izao fotoana izao izy ireo. Nambarany kosa anefa fa na eo aza izany fahasarotana izany dia tsy azo ekena na oviana na oviana ny tsy fanajana ny zon’olombelona izay miseho amin’ny endriny maro eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha tsy hilaza afa-tsy ny tsy fisian’ny falalahan’ny fanaovan-gazety sy ny vono olona any atsimo isika. Nomarihan’ny vahiny ihany koa ny amin’ny tokony hampahafantarana ny rehetra ny vaovao marina mikasika ny zava-mitranga any Atsimo: indrindra ny antony mampirongatra ny famonoan’olona any amin’ity faritra ity sy ny fandorana ny tananan’ireo mponina sivily. Notsipihin’ity manampahaizana avy ao amin’ny Amnesty international ity manokana ny momba ilay famonoan’ny vahoaka ireo olona voatondro ho dahalo tany amin’ny Faritra Anosy. Famonoan’olona izay tsy nisy fitsarana akory. Izany hoe toy ny any amin’ny firenena tsy misy làlana.
Ho an’ny minisitry ny Serasera kosa, nanambara ny tenany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny departemanta tarihany, fa tsy mbola nandray fanampahan-kevitra mifanohitra amin’ny falalahan’ny asa fanaovan-gazety ny ministera tantanany. Nambarany ihany koa fa mifankahalala avokoa ireo mponina any amin’ireo tanana nisehoan’ny vono olona faobe tany atsimo. Arak’izany dia izy ireo ihany no mahafantatra ireo dahalo sy tsy dahalo amin’ny tanana misy azy ireo. Nambarany ihany koa fa misy ny tsiambara-telon’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana amin’ny raharaha tahaka ny fampandrian-tany any atsimo. Izay, arak’izany no mibaiko ny famoaham-baovao mahakasika ity raharaha ity. Nilaza moa ny minisitry ny Serasera fa tsy mitsahatra ny mamoaka vaovao ara-potoana mikasika ny fivoaran’ny raharaha any atsimo ny governemanta.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...