10/11/2012
Tsy mbola manaiky ho resy akory ry Riry Be sy ny mpiara-dia amin’izy ireo any Toamasina, na dia teo aza ny fanazavana sy ny fanakianana avy amin’ny Tetik’asa Ambatovy sy ny fiadidiana ny Faritra Antsinanana mikasika ny hetsika fitakiana ataon’izy ireo. Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety tany an-toerana, izay natao omaly no nanambaran’ireto mpikambana ao amin’ny antoko ‘Tsisy miala aketo niany” fa horotsaka an-dalam-be indray izy ireo amin’ny alatsinainy izao, ary hanakatona ny tetik’asa Ambatovy.
“Mitombina ny fitakiana ataonay ary tombon-tsoa kely no takianay raha miohatra amin’ny asa efa nataon’ireo mpiasa very asa tao amin’ny tetikasa Ambatovy”. Io no nambaran’i Rakotomalala Henri, fantatra amin’ny joe Riry Be isan’ireo mpitarika ny hetsika “Tsisy miala aketo niany” any Toamasina, raha nanazava ny anton’ny fitakiana ataony izy ireo. Tombon-tsoa mihoapampana, hoy izy no azon’ity tetikasa ity amin’ny fitrandrahana sy fanondranana ny harena avy ao amin’ny faritra mankany ivelany, koa rariny raha mitaky ny tombontsoa manandrify azy ireo zanak’izany faritra izany. Mahatratra 197 miliara dolara hoy ny fanazavan’izy ireo ny tombom-barotra azon’ny tetik’asa Ambatovy mandritra ny 27 taona, kanefa tsy misy afa-tsy 24 tapitrisa dolara no takian’ireo mpiasa very asa tao amin’izany tetikasa izany.
Nambarany ihany koa fa tsy mitombina ny fanakianana nataon’ny Lehiben’ny Faritra Antsinanana sy izay nataon’ny lehiben’ny tetikasa Ambatovy mikasika ity hetsika fitakiana ataon’izy ireo ity. Ireto farany izay tondroin-dry Riry Be ho nilaza fa hetsika fitadiavam-bola sy fanaovana fitaovana an’ireo mpiasa lany fifanarahana tao amin’ny tetikasa Ambatovy ity ataon’izy ireo ity. Notondroin’’i Riry Be ho “efa lasa mpisolo vava an’Ambatovy ny lehiben’ny Faritra, ka adinony ny tombontsoan’ny zanak’i Toamasina izay very asa”.
Eo anatrehan’izany rehetra izany dia nanambara ny mpitarika ny hetsika “Tsisy miala aketo niany” fa hanamafy ny fitakiana ataony izy ireo. Hisy ny hetsika goavana izay hataon’izy ireo amin’ny alatsinainy ho avy izao. Hetsika izay hiainga ao amin’ny kianjan’ny Soavita ary hihazo ny foiben-toaran’ny tetikasa Ambatovy any Toamasina. Araka ny nambaran’izy ireo dia ny fanakatonana an’ity tetikasa ity no tanjon’izy ireo amin’izany. Hilahatra hihazo ny biraon’ny Faritra Antsinanana ihany koa izy ireo, araka ny fanazavana ihany. Mandritra izany kosa no hanakatonan’izy ireo an’ity biraon’ny Faritra ity sy ny fanesorana ny Lehiben’ny Faritra, izay tondroin’izy ireo ho “anton’izao fahorian’ny tanoran’ny Toamasina sy ny tsindrihazolena mahazo ny tanora ny Faritra izao”. Marihina fa hamono omby ny fikambanana “Tsisy miala eto niany” mandritra io hetsika hatao amin’ny alatsinainy izao io. Omby izay hamahanana an’ireo tanora hiambina ny Biraon’ny Faritra aorian’ity hetsika ity.
Marihana hanao hetsika fanomezan-tanana ny kaomina ao Toamasina amin’ny fanadiovana ny tanana ny fikambanana “Tsisy miala eto niany” anio asabotsy. Ny tananan’ny Toamasina izay difotry ny fako amin’izao fotoana izao nohon’ny tsy fifehezan’ny kaomina ny fanesorana ny fako. Ireo tsena ao an-tanana no ho diovina mandritra ity hetsika ity.
Midika izany rehetra izany fa hafanafana indray i Toamasina ny alatsinainy izao. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fat any Toamasina ny Jeneraly Ravalomanana Richard izay nanatrika ny famindram-pahefana tamin’ny komandy vaovaon’ny zandary sy ny komandy teo aloha. Heverina fa efa nisy ny toro-marika nomena mikasika ny fiatrehana ity raharaha ity any antoerana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.979