12/11/2012
Lasa Andralanitra faharoa ny eny amin’ny fokontany Ambatomaro Antsobolo ao amin’ny boriboritany faha 5 eto Antananarivo renivohitra. Hatramin’ny nakan’ny SAMVA ny daba fanangonana fako tao amin’ny toerana iray tao amin’ity fokontany ity dia tsy misy mpaka intsony ny fako teo amin’izany toerana izany. Mialoha izany anefa dia nomena vola 150 000 fmg ny mpiasan’ny SAMVA vao mety maka ny fako tao amin’ilay dabam-pako. Mivangongo izay tsy izy ny fako any an-toerana amin’izao fotoana izao, ary manahy ny hisian’ny fiatraik’izany amin’ny fasalamam-bahoaka ny mponina any an-toerana.
Mampametram-panontaniana ny mponina ao amin’ny fokontany Ambatomaro Antsobolo ao amin’ny Boriboritany faha 5 ny maha tsy ao anatin’ireo faritra lalovan’ireo fiarabe mpandroaka ny fako eto Antananarivo ny eny amin’izy ireo. Raha nanontaniana ny antony tsy fisian’ny mpaka fako avy amin’ny kaomina ny any amin’ity fokontany ity ny mpiasan’ny SAMVA dia nilaza mazava fa tsy isan’ny lalana lalovan’ny fiarabe mpaka fako izany faritra izany.
Efa nisy lava-pako iray teo amin’ny toerana fanariam-pakon’ny mponina tao amin’ity fokontany ity hatrizay. Saingy rehefa nisy ny hetsika nataon’ny mpianatra teny Ankatso tamin’ny roa taona lasa dia nametrahan’ny mpianatra mpanao fohetsiketsehana dabam-pako izay tsy fantam-pihaviana teo amin’io toerana io. Mazava loatra fa fanaon’ny mpanao fihetsiketsehana eto Antananarivo ny mametraka ireny daba-pako ireny eny amin’ny arabe hisakanana ny fiaran’ny mpitandro filaminana izay mety handrava ny hetsika ataon’izy ireo. Izay izany no antony nahatonga ilay dabam-pako teo amin’io tany efa fanariam-pako io. Vokatr’izany dia lasa tao amin’ilay daba-pako izay nisy nametraka teo amin’io toerana ion y vahoaka teny amin’ny manodidina no nanary fako. Tsy nisy naka anefa izany dabam-pako izany na dia efa rakotry ny fako nandritra ny andro maromaro aza. Izany no nahatonga ny tompon’andraikitra tao amin’ny fokontany nangataka teny an’ivon’ny SAMVA mba haka izany fako izany. Nambaran’ny mpiasa tao amin’io sampan’asa io anefa fa tsy isan’ny lalana lalovan’ny mpaka fako iny lalana iny. Tsy nijanona tamin’izay anefa ny tompon’andraikim-pokontany fa nangataka ny mba hampidirana ny fakana fako eny amin’ny fokontanin’Ambatomaro Antsobolo hampidirina ao anatin’ny lalana lalovan’ireo mpanary fako. Tsy nisy valiny io fangatahana io, araka ny nambaran’ny sefo fokontany Rabefarihy Randrianofahanana.
Taty aoriana voatery nikaron-kevitra hafa ny fokontany, ka tapaka fa tamin’ny alalan’ny latsakemboka avy amin’ny fokonolona no nanaramana ireo izay handroaka ny fako. Tsy iza anefa vonona ny handroaka ny fako fa ny mpiasan’ny SAMVA ihany. Tonga teny an-toerana izy ireo isaky ny hafaran’ny fokonolona ary mandroaka ny fako araka ny tokony ho izy rehefa nomena vola 150 000 fmg avy amin’ny latsakemboky ny vahoaka izay tsy naharitra ela satria nihena ny fazotoan’ny olona nandoha izany latsakemboka izany.
Amin’izao fotoana izao rehefaa nambara ny mpiasa tao amin’ny SAMVA fa tsy maharaka amin’ny latsakemboka intsony ny mponina, ary tokony alain’izy ireo ny dabam-pako rehefa tsy vonona ny haka izany izy ireo amin’ny fotoana maha feno fako azy, dia tonga naka izany tokoa izy ireo ary nitondra ny daba-pako ka tsy namerina izany tany an-toerana intsony. Amin’izao fotoana izao anefa dia mbola eo amin’ilay toerana hatrany ireo vahoaka no manary fako. Ny fako izao miavosa toy ny tendrombohitra kely amin’izao fotoana izao. Tsy resahona intsony ny fofonna sy ny biby isan-karazany izay aterak’izany ho an’ny manodidina. Antony ilazan’izy ireo far aha mitohy izao tsy fakana ny fako eny amin’izy ireo izao dia mety hiteraka fiparitahan’ny loto eny amin’ny manodidina, indrindra fa ireo valan’aretina entin’izany, indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.983