12/11/2012
Nambaran’ny COMGN teo aloha, ny jeneraly Bruno Razafindrakoto tamin’ny mpanao gazety àry fa mijanona ho teknisiana ary tsy manana eritreritra hanao politika mihitsy ny tenany. “Nangiana aho taorian’ny nanesorana ahy tsy ho komandin’ny zandarimaria ary tamim-pifaliana tanteraka no nanolorako ny faneva. Nijanona ho teknisiana hatrany aho nandritra izay fotoana nitanako ny andraikitra maha COMGN ahy izay ary tsy manana eritreritra hanao politika velively ary tsy nandray anjara tamina fivoriana politika; ny tenako rahateo koa niala sasatra tany Antsiranana”, hoy izy. Nitondra fanamarihana ihany koa anefa ity manamboninahitra jeneraly ity,
teo anatrehan’ny fanenjehana nahazo azy ka nilazany fa tsy mitombona avokoa izany rehetra izany: “izao vao voamarina avokoa fa tsy misy mitombona ny zavatra nanenjehana ahy”. Midika zavatra betsaka izany fanazavana nomen’ny jeneraly Bruno Razafindrakoto izany. Nisy àry ve izany tetika sy paika nataon’ny sasany nentina fotsiny nanesorana ity manamboniahitra vy nahitàna izao fitondrana Tetezamita ity izao?
Vato natsindry nahazana
Tsy misy eo amin’ny fitondrana intsony tokoa mantsy izao ireo manamboninahitra nitsangana teo anatrehan’ny tsy rariny nandritra iny hetsika 2009 iny. Ny sasany aza fonja no niandry azy toa ny jeneraly Noel Rakotonandrasana, ny lietna kolonely Charles Andrianasoavina izay mitondra kilemaina mandra-pahafatiny ankehitriny, ny jeneraly Zafera (FIGN). Tsy misy afatsy ny CEMGAM, ny jeneraly Ndriarijaona André sisa no mbola eo amin’ny andraikitra nankinina taminy tany am-boalohany. Nataon’ny fitondrana Andry Rajoelina tahaka ny vato natsindry nahazana àry ve izany ireny manamboninahitra ireny koa rehefa maloka ny andro dia natsipiny? Anisan’ny fanamarihana nentin’ny jeneraly Bruno Razafindrakoto ihany koa ny oha-pitenenana Malagasy manao hoe: “fandio iray siny tsy mahaleo fandoto iray tandroka!”.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.917