12/11/2012
Tanteraka eo amin’ny tontolon’ny fitaterana andrenivohitra hatranim’ny nisian’ny fanampahan-kevitry ny UCTU hampakatra ny saran-dàlana ho 400 ariary ilay fomba fiteny manao hoe “samy mandeha samy mitady”. Ankoatry ny tsy fahazakan’ny ankamaroan’ny vahoaka an’io saran-dlana io tokoa dia isan’ny miteraka olana eo amin’ny mpitatitra sy ny mpandeha ihany koa amin’izao fotoana izao ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpitatitra. Misy ireo izay mbola mihazona ny saran-dàlana teo aloha. Misy kosa anefa ireo izay mampihantra ny fampiakarana nataon’ny UCTU.
Taratry ny gaboraraka misy eo amin’ny tontolon’ny fitaterana eto amintsika amin’izao fotoana izao ny tsy fisian’ny marimaritra iraisana eo amin’ireo rehetra voakasik’ity sehatra ity amin’ny famerana ny saram-pitaterana an-drenivohitra. Vokatr’izany dia samy manao izay saim-pantany tokoa amin’izao fotoana izao na ny mpitatitra, na ny vahoaka eny fa na dia ny mpitondra fanjakana sy ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa aza. Ho an’ireo mpitatitra: misy amin’izy ireo ny nampihantra ilay fanampahan-kevitry ny UCTU amin’ny fampiakarana ho 400 ariary ny saram-pitaterana eto andrenivohitra. Misy ihany koa enefa etsy an-danin’izany ireo mpitatitra izay mbola tsy nampakatra ny sara-dàlana tao amin’ny. Sahiran-tsaina amin’ny hatao manoloana izany, mazava loatra, ireo mpanjifa. Tsy misy rahateo ny marika famantarana ny fiara fitaterana izay mampihantra na izay tsy mampihantra ny fampakarana ny saran-dàlana. Tsy vitsy ihany koa vokatr’izany ihany, ireo fifamaliana eo amin’ny mpitaky saram-pitaterana sy ireo mpandeha eny anatin’ireny fiara fitateranm-bahoaka ireny nohon’ny tsy fitovian’ny vaovao voarain’ny an-daniny sy ny an-kilany.
Ankoatr’izay, nilaza ny hikaroka ireo fomba rehetra hamerenana ny saram-pitaterana amin’ny teo aloha ireo avy ao amin’ny vondron’ny mpanjifa, kanefa tsy ahitan-teny na kely azan y ministeran’ny Fitaterana. Re ihany, tamin’ny herinandro lasa fa hisy ny fanampahan-kevitra ho raisin’ny ministeran’ny Fitaterana kanefa hatramin’izao dia tsy hita akory ny amin’izany.
Raha araka ny tokony ho izy, na teo azan y filazana nataon’ny fikambanan’ny mpitatitra na ny UCTU hampakatra ny saram-pitaterana dia tokony nanao fanambarana mazava ny momba ny fanekena na tsy fanekena izany ny governemanta. Mety tsy nitranga ny gaboraraka toy izay misy amin’izao fotoana izao raha toa ka izay no fihetsiky ny mpitondra fanjakana.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.998