Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hanomboka ny 18 novambra ny fiotazana

12/11/2012

Ny fifanarahana nifanaoban’ny Faritra Atsinanana sy ny Faritra Analanjorofo ary ireo teknisiana eo an’ivon’ny Vondron’ny mpanondrana letchis (GEL) no namaritra fa hanomboka ny 18 novambra ho avy izao ny taom-pihotazana amin’ity taona ity ho an’ireo Faritra roa ireo. Araka ny nambaran’ny filohan’ny GEL, Rafidimanana Narison dia “tsy misy afaka mampiditra letchis alohan’ny amin’ny 06ora hariva amin’io datin’ny 18 novambra io. Ho henjana ny fanaraha-maso ialàna amin’ireo izay mety mihoam-pefy. Efa afaka manangona lodsia dieny maraina anefa ireo mpanangom-bokatra”.

Sambo lehibe anakiroa no haka ireo vokatra letchis any amin’iny faritra iny mandritra ny 10 andro. Milanja 17.000 taonina eo ny vokatra ahondran’i Madagasikara, izay nahitana fitomboana 2.000 taonina raha oharina ny tamin’ny taon-dasa izay 15.000 taonina. Manomboka anroany kosa araka ny fifanarahana teo amin’ny sampandraharahan’ny hetra sy ny Faritra Atsinanana ary ny GEL, ny fanaovana ny “guichet unique” ho fanomanan’ireo mpanangom-bokatra ny taratasy rehetra ilainy amin’ny fanangonam-bokatra ho ataony hialana amin’ny filaharam-be sy ny fikoropahana.
Marihana fa efa herinandro no efa feno letchis amidy ny tsena ao Toamasina. 2000 ariary ny iray kilao amin’izany ary ireo letchis avy amin’ny manodidina ny Faritra Analanjorofo ireto letchis efa amidy ireto. Tamin’ny alatsinainy 05 novambra koa no nanomboka ny fanondranana letchis tamin’ny alalan’ny fiaramanidina antsoina hoe “primeur”. Efa manodidina ny 25 taonina ny voahondrana hatramin’ny zoma teo araka ny fanazavan’Atoa Rafidimanana Narson tamin’ny mpanao gazety ihany.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...