13/11/2012
Miandry ny fanolorana azy eo anatrehan’ny Fampanoavana ao amin’ny “violon”-n’ny zandarimaria etsy Betongolo ny tangalamena Zakariasy Patrick. Tampoka tokoa io fanapahan-kevitra io araka ny baiko azon’ny zandary Tanà ville. Niatrika fakàna am-bavany fanindroany ihany koa ity tangalamena ity omaly maraina nialohan’ny nandehanana teny amin’ny Fampanoavana Anosy. Ora iray mahery taorian’ny nahatongavana teny amin’ny Fitsarana anefa dia nahazo baiko ny zandary hitondra ny tangalemana Zakariasy Patrick ho eny amin’ny toby. Voatery niverina teny Betongolo avokoa ny rehetra ary teny no nilazana fa hahemotra androany talata 13 novambra ny raharaha.
Paika manokana
Nambaran’ny Me Willy Razafinjatovo na Olala tamin’ny mpanao gazety àry fa tsy rariny izao zavatra natao tamin’ny tangalamena Zakariasy Patrick izao. Hoy indrindra ity mpisolovava ity: “tokony nampilaza mialoha ny Fampanoavana hono ny zandary rehefa misy “grand dossier” tahaka izao. Efa noraisin’ny Fampanoavana anefa ny antontan-taratasy ka dia tokony niandry teny amin’ny Fitsarana fa tsy naverina ety Betongolo. Manaraka izany, tsy nisy fitànana “violon” nandritra ny fakàna am-bavany koa nahoana no lasa misy an’izany tampoka rehefa tsy vita ny “déferrement”? Misy paika manokana nomanina mihitsy izao natao tamin’ny tangalamena Zakariasy Patrick izao”. Androany amin’ny valo maraina no ora nambaran’ny mpitandro filaminana fa hiverenan’ireo talen’ny famoahana ny gazety La Nation, Gazetiko ary Midi Madagasikara, mialohan’ny hizorana ho eny amin’ny Fampanavana Anosy.
Baiko
Nanakiana iny fitànana « violon » tampoka ny tangalamena Zakariasy Patrick iny ny mpisolovava Willy Razafinjatovo. Maro ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety taminy, ka isan’izany ny hoe: “nahazo baiko avy any ambony hitàna “violon” ity tangalamena ity ve ny zandary?”. Tsy nisalasala mihitsy ny Me Olala, namaly izany fanontanian’ny mpanao gazety izany, araka izao hitaterana azy izao: “ny zandary mihitsy ange no milaza fa nahazo baiko izy ireo ka dia manatanteraka izany baiko izany. Raha ohatra ka efa notànana “violon” hatrany am-piandohan’ny fakàna am-bavany ny tangalamena Zakariasy Patrick dia azon’ny mpitandro filaminana tsara mihitsy ny mitazona azy rahatoa ka tsy vita ny fanolorana ny raharaha teny amin’ny Fampanoavana. Tsy izany anefa ny zava-nisy kanefa dia izao fitànana “violon” tampoka izao”.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
610.857