Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Ahiana tsy ho azo intsony ny 8 volana

13/11/2012

Manahy ny tsy ahazoana intsony ny vatsim-pianarana mbola tsy voaray tamin’izao taom-pianarana izao ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo. Vatsim-pianarana iray volana ihany, miampy ny fampitaovana ho an’ity taona ity no zaraina nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ary mbola mitohy amin’izao herinandro izao. Tsy mbola misy resaka, arak’izany ny ampahany hafa, izany hoe ny 8 volana sisa, raha toa ka 9 volana isan-taona no vatsim-pianarana azoan’ny mpianatra iray.

“Voatery nangina aloha izahay, manoloana ny fanomezan’ny fanjakana ny vatsim-pianarana iray volana sy ny fampitaovana, na dia tsy mifanandrify amin’izay notakianay aza izany. Aleo minan-kely toy izay mandry fotsy”. Izay no nambaran’ny mpianatra iray avy any amin’ny Faritra Itasy ary mandranto fianarana eny Ankatso, raha nanontaniana ny fahitany ny fazoana ny vatsim-pianarana iray volana ny tenany. Mbola ity mpianatra ity ihany koa no nilaza fa manahy mafy ny mety tsy azoan’izy ireo intsony ny vatsim-pianarana 8 volana tokony mbola homena azy ireo ny mpianatra. Nifamepetra ny amin’ny tsy tokony hisian’ny hetsika intsony ho tambin’ny fandohavana ny vatsim-pianarana amin’izao fotoana izao, hoy izy, ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fiadidiana ny Tetezamita sy ny solon-tenan’ny mpianatra izay nihaona tamin’izy ireo. Mazava arak’izany, hoy ihany ny fanamarihan’ity mpianatra ity, fa mety ho sarotsarotra ny hisiahan’ny hetsika hafa indray hitakiana ny ampahan’ny vatsim-pianarana tokony mbola homena azy ireo.
Marihana fa efa miatrika ny fanadinana amin’izao fotoana izao ny sampam-pianarana sasantsasany eny amin’ny anjerimanontolo, toy ny sampam-pihofanana mpitsabo izay nanomboka izany omaly, ary tsy hifarana raha tsy afaka roa herinandro. Tsy ho ela arak’izany dia hiditra amin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny mpianatra sasantsasany.
Afaka madiodio
Nahazo fahafahana madiodio kosa ireo mpianatra miisa 8 izay nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo-rég nandritra ny hetsik’izy ireo teny Ankatso, roa herinandro lasa izay. Omaly no nivoaka ny didim-pitsarana mikasika ny raharaha nanenjehana azy ireo, raha efa natao herinadro lasa izay ny fitsarana. Tsiahivina fa nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny Emmo-rég izy ireo, ary nampangaina ho nanakorontana nandritra ny hetsika fitakiana vatsim-pianarana nataon’ny mpianatra. Efa notanana vonjimaika teny am-ponja ihany koa izy ireo talohan’ny fitsarana azy. Taorian’ny fitsarana dia efa nalefa nody avokoa ireo mpianatra ireo mandram-pahatonga ny fivoahan’ny didim-pitsarana izay nanafaka azy ireo madiodio omaly. Tonga teny amin’ny fitsarana avokoa izy ireo nandritra ny famoahana ny didy omaly.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...