Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy latsaky ny 5000 ireo nirotsaka an-dalambe

13/11/2012

Araka ny efa nomanin’izy ireo dia nitarika ny vahoaka nidina an-dalambe indray omaly ny avy ao amin’ilay fikambanana atao hoe “tsisy miala aketo niany” any Toamasina. Nitombo be dia be ireo olona nanaraka azy ireo raha oharina tamin’ny hetsika farany izay nataon’izy ireo. Nihazo ny biraon’ny tetik’asa Ambatovy ny hetsika ary nanome fe-potoena 72 an’ity farany izy ireo mba hamaliana ny fitakiany. Nihazo ny biraon’ny Faritra ihany koa ary nanome 24 ora hialan’ny Lehiben’ny Faritra Antsinanana amin’ny toerany. Nilamina avokoa izany hetsika izany, ary marobe ireo mpitandro filaminana izay efa teny amin’ireo toerana nalehan’ny mùpanao fihetsiketsehana.

Tombanana ho tsy latsaky ny 5000 ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe niaraka tamin’ny fikambanana “Tsisy miala eto niany” omaly. Niainga tao amin’ny kianja mitafon’ny Soavita izany filaharambe izany, ny maraina ary nihazo ny foiben-toeran’ny tetikasa Ambatovy izay efa nahitana mpitandro filaminana maro dia maro niaro azy sy nisakana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra tao anatiny. Marihina fa nahitana ireo antoko-miaramila sy mpitandro filaminana isan-karazany mihintsy tamin’ireo Emmo-Sécurité izay tonga teny an-toerana. Isan’izany ny avy amin’ny Zandary, ny Polisin’ny GIR sy ny FIP ary ny Miaramila. Nametraka taratasy fangatahana fihaonana ato anatin’ny 72 ora eo amin’ireo mpitokona sy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Orin’asa Ambatovy ireto mpanao fihetsiketsehana ireto. Taratasy izay nankinina tamin’ny mpitandro ny filaminana ny fanaterana azy tany amin’ny tomponandraikitry ny Tetikasa Ambatovy.

Tsy nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso

Nihazo ny lapan’ny Faritra kosa indray avy eo ireo mpanao fihetsiketsehana. Ity birao ity izay efa voatemitry ny mpitandro filaminana ihany koa. Nisy ny fifanazavana teo amin’ireo mpitarika ny hetsika sy ireo mpitandro filaminana. Teo dia saika raikitra ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ireo mpitandro filaminana saingy tsy nety nandeha ilay baomba nohon’ny tsy fetezan’ny basy nandefasana azy. Na izany na tsy izany, nanome fepotoana 24 ora ho an’ny lehiben’ny Faritra Antsinanana ihany koa ny vahoaka mpanao fihetsiketsehana mba hametrahany fialana. Nambaran’izy ireo fa hiafara amin’ny korontana ity raharaha ity raha tsy manao izany ny Lehiben’ny faritra. Taorian’izany dia niala teo amin’ity toerana ity ireo mpanao fihetsiketsehana ary nihazo ny moron-dranomasina, izay toerana namonoan-dry zareo omby sy nisakafoanany.
Marihina fa mbola nanamafy hatrany ny fiambenana ny Lapan’ny Faritra Antsinanana ny mpitandro filaminana nandritra ny tontolo andron’ny omaly.
Mbola tantara mitohy arak’izany ny resaka fihetsiketsehana mitaky ny tamby avy amin’Ambatovy ataon’ireo mpiasa very asa tao amin’izany tetikasa izany. Tsiahivina fa efa naharitra herinandro maromaro izay ity hetsika ity, ary efa nisy ny fanazavana nataon’ny tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Tetikasa Ambatovy niaraka tamin’ny lehiben’ny Faritra Antsinanana izay nanamarihana fa tsy afaka ny handoha an’io vola tadiavin’ny mpiasa tapitra fifanarahana tamin’izy ireo ion y tetik’asa Ambatovy.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...