14/11/2012
Tsy marina ny filazana fa nanao vono moka ny mponina tany atsimo ny mpitandro filaminana tamin’ilay operation Tandroka, araka ny fanazavan’ireo manamboninahitra nitarika izany hetsika izany izay niantso mpanao gazety omaly. Tsy marina ihany koa hoy izy ny filazana fa nandoro tanana izy ireo. Nangataka ny hitondran’izay nahita izany loharanom-baovao izany porofo ity manamboninahitra ity. Fantatra ihany koa, araka ny nambaran’izy ireo fa ny tetik’asan’ny Filoha teo aloha Ravalomanana momba ny fanorenena valabe no nampirongatra ny halatr’omby tany atsimo.
Mahatratra 27 ireo dahalo matin’ny mpitandro filaminana nandritra ny hetsika “Tandroka” natao tany amin’iny ilany atsimon’ny Nosy iny raha araka ny tatitra nataon’ireo manamboninahitra izay namory mpanao gazety tao amin’ny Toby Ratsimandrava omaly. Miisa 27 kosa ny fitaovam-piadiana azo tamin’ireo dahalo ireo, ary dahalo 69 no voasambotra ka nampidirina am-ponja. Mbola ny tatitra natan’ity manamboninahitra ity ihany koa no nahafantarana fa mahatratra 109 ireo olona matin’ny fokonolona tamin’ny raharaha halatr’omby tany amin’iny faritra iny. Namafisin’izy ireo fa tao anaty fifandonana avokoa no nahafatesana ireo dahalo ireo. Izany hoe tsy namono olona tsy manat-tsiny ny mpitandro filaminana, araka ny tatitra nataon’izy ireo.
Ankoatr’izay dia nilaza ihany koa ireto mpitandro filaminana ireto fa tsy nandoro tananan’olona izany izy ireo hatramin’izay nanatanterahana an’ity hetsika tandroka ity. Nanafatra mazava tsara moa izy ireo fa tokony hitondra porofo amin’izay izay milaza fa manam-baovao momba ireo tranga ireo.
Ankoatr’izay dia nanambaran’ny mpitandro filaminana ihany koa fa avy amin’ny tetik’asan’ny filoham-pirenena teo aloha momba ny valabe no nampirongatra ny halatr’omby tany amin’iny faritra iny. Nambaran’izy ireo fa nokasaina haondrana amina firenena iray any ivelany ireo omby an-drivony raha tanteraka ity valabe ity. Mbola nitaky ny hanatanteraha an’io fanamby io, hoy izy ireo, ilay firenena nanafatra izany omby andrivony izany ka io no mampirongatra ny halatr’omby.
Raha fintinina ny nambaran’ireo manamboninahitra izay nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly dia tsy tompon’nantoka na tamin’ny vono olona na tamin’ny fandrobana fananan’olona na tamin’ny firongatry ny asan-dahalo tany Atsimo ny mpitandro filaminana. Madio mangatsakatsaka izy ireo, araka izany rehetra izany.
Na izany na tsy izany mahagaga ihany raha toa ka tsy vitan’izy ireo ny iraka nampanaovina azy dia ny fisamborana an-dRemenabila. Misy tamin’izy ireo ny nilaza fa efa naratra mihitsy ity dahalo raindahany ity ary efa sahirana izy mandeha ka tsy ho ela intsony dia ho azo. Dia tena mampametram-panontaniana arak’izany ny tena fahamarinan’ny voalazan’ny mpitandro filaminana satria olona efa maratra sy tsy afa-mandeha ara-dàlana ve dia mbola tsy voasambotr’ireo izay heverina fa sangany amin’ny raharaha tahaka itony ireo? Arak’izany na dia madio mangatsakatsaka aza izy ireo tamin’ny fanazavana izay nentiny tetsy ambony dia sarotra ny hino azy noho ity iraka nampanaovina azy izay tsy vitany araka ny tokony ho izy ity. Marihana fa mety mbola hitarina ity operation tandroka ity.
Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ... Lire la suite
Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ... Lire la suite
Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ... Lire la suite
Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ... Lire la suite
Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ... Lire la suite
L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ... Lire la suite
Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ... Lire la suite
Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ... Lire la suite
Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ... Lire la suite
A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ... Lire la suite
Visiteurs
611.000