Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Hitory ny Fanjakana ny ministry ny Fiompiana ?

15/11/2012

Hanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety etsy amin’ny Colbert ny vondrona Ravalomanana Marc androany, araka ny vaovao azo. Mazava ho azy fa mahakasika ireny fanalam-baraka nataon’ny Foloalindahy amin’ny raharaha Remenabila sy ny asan-dahalo any Atsimo ireny no votoatin’izao valan-dresaka izao. Ny fitondram-panjakana mihitsy no “auteur” amin’izany fanalam-baraka imasom-bahoaka izany. Mpiray tsikombakomba indray koa ve izany ireo mpanao gazety izay nitatitra ny vaovao ? Tsy mitombona ve izany ny fanelezana vaovao tsy marina (diffusion de fausse nouvelle) rehefa ny Foloalindahy sy ny Tafika ?

Tsy vitan’ny hoe fanalam-baraka fotsiny ihany no nataon’ny Foloalindahy mikasika ny fiampangana natao tamin’ny ministry ny Fiompiana Randriamandranto Ihanta fa famoahana ny tsiambaratelon’ny famotorana. Ilay famotorana voalaza aloha dia efa mampametra-panontaniana ny fahamarinany satria izy ireo irery ihany no nanao izany. Mba misy sahy mijoro eo anatrehan’izany famoahana ny tsiambaratelon’ny famotorana (secret de l’instruction) izany ve ireo fahefam-pitsarana?
Andrasan’ny maro araka izany ity valan-dresaka izay hataon’ny vondrona Ravalomanana Marc misy ny ministry ny Fiompiana, Ihanta Randriamandranto ity. Hametraka fitoriana ho nanala baraka sy nanely vaovao tsy marina ary fihantsiana ve ity tomponandraikitra ity sy ny mpiara-dia aminy ? Mpitandro filaminana (police judiciaire) izay anefa no ho sahy haka am-bavany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny jeneraly Randrianazary, ny COMGN ny jeneraly Ravalomanana Richard, ny lehiben’ny FIS ny kolonely Lylyson Urbain de René? Ny fitoriana napetraky ny filoha teo aloha Zafy Albert aza nanjavona tsy hita popoka ; ireo nanafika ny Fréquence Plus fantatra anarana sy toeram-piasana milamin-tsaina, sns.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...